Taorian’ny fitsidihina narahina fanolorana boky ho an’ny sekolin’ny manamboninahitra Akademia Miaramila nataon’ny solontenan’ny Firenena
mikambana vao tsy ela akory izay dia nitsidika an’Antsirabe tao amin’ity sekoly ity indray ny masoivohon’ny vondrona Eoropeanina, Atoa Antonio Sanchez Benenito Gaspar omaly alatsinainy 25 janoary 2016. Nambaran’ny jeneraly Rakotonirina Léon Richard, kaomandin’ny sekoly fa sambany teo amin’ny tantaran’ity sekoly ambonin’ny manamboninahitra ity no nisian’ny olona ambony avy tamin’ny vondrona Eoropeanina nitsidika azy ireo tao anatin’ny 50 taona nijoroany izay. Antony moa dia eo ny maha sekoly ambony miavaka azy aty amin’ny faritra Afrika sy ny ranomasina Indiana ka nahasarika ity olona ambony ity. Fa eo ihany koa ny ezaka ataon’ny sekoly amin’ny fanofanana ireo manambonihahitra hiatrika ny fampandrosoana sy ny fiarovam-pirenena. Fanamafisana sy fitadiavana fiaraha-miasa miaraka no tanjona, hoentina hanatsarana hatrany ny fampianarana sy fiofanana eo amin’ny sekoly raha ny nambaran’ny kaomandin’ny sekoly taorian’ny fitsidihana ireo fotodrafitrasa ananan’ny sekoly.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.