Mpianatra iray ho manamboninahitra ao amin’ny akademia miaramila Antsirabe no maty noho ny tsy fahasalamana araka ny loharanom-baovao ofisialy avy any amin’ny ACMIL
fanadihadiana lalina kokoa momba ity nahafatesana mpianatra ho manamboninahitra tany amin’ny ACMIL Antsirabe ity mba hampisinda tanteraka ny ahiahy tsy hihavanana.
Mpianatra iray ho manamboninahitra ao amin’ny akademia miaramila Antsirabe no maty noho ny tsy fahasalamana araka ny loharanom-baovao ofisialy avy any amin’ny ACMIL. Nisy koa mpianatra 8 mirahalahy hafa voatery nandraisana fanapahan-kevitra hanaraka fitsaboana any amin’ny Hopitaly Miaramila eto Antananarivo, noho ny fahasahiranana teo am-panarahana ny fiofanana. Marihana fa nanomboka ny 03 Novambra 2014 lasa teo ny fiofanana, izay ialohavan’ny antsoina hoe « FITAIZANA », toy ny hita amin’ireo sekoly rehetra mpanofana mpianatra ho manamboninahitra manerana ny tany. Izany dia natao indrindra hampidirana ao amin’ireo mpiofana ny toe-tsaina miaramila izay miavaka amin’ny fankatoavana ny baiko izay omena, ny herin-tsaina sy ny herim-batana tokony hananana, satria ireo no takina aminy eo am-panatanterahana ny andraikitra izay hosahaniny. Araka izany, mitaky vatana tomady ny fiofanana ao amin’ny sekoly. Efa voafaritra mialoha ao anaty « rindran-damina » ny votoatin’ny fandaharam-pianarana tontosaina mandritra io « FITAIZANA » io ary misy ny fanaraha-maso hentitra eo amin’ny fanatanterahana izany. Efa misy ihany koa ny fizaham-pahasalamana mialoha ny hidirana eny amin’ny akademia miaramila, saingy milaza ireo tompon’andraikitra fa matetika dia misy ny mpiadina manafina ny aretina efa mitaiza azy ka rehefa raikitra ny fampiasana herim-batana mafy vao indro mipoitra ny tsy ampoizina. Na izany aza dia rariny sy hitsiny raha toa ka misy ihany ny
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.