Mpianatra ho manamboninahitra mpanamory fiaramanidina Antsoina hoe Rakotoson Mamimaherimanana Andrianina, 33 taona anisan’ireo afa-panadinana ho mpanamory no namoy ny ainy.
Feno mangana sy ratra ary diana kiraro ny vatany, araka ny nambaran’ny havany taorian’ny fizahana ny razana. Ny harivan’ny nidirany tao amin’ny ACMIL dia efa naiditra hopitaly. Velon-taraina ny fianakaviana ka hitory noho ity toe-javatra ity. Tetsy an-kilany, naneho fiondrehana am-panajana eo anatrehan’ny vatana mangatsiakany ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena sy ny fianakaviamben’ny Foloalindahy Malagasy ary nirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana, hoy ny fanambarana nataon’ny minisiteran’ny fiarovana. Raha tsiahivina, nandritra ny fizaham-pahasalamana teo am-pahatongavana tao amin'ny sekoly Akademia Miaramila ao Antsirabe no nahitana fa manana olana amin'ny voa ity mpianatra ity ka avy hatrany dia notsaboina tao amin'ny "Infirmerie de Garnison", hoy ny fanazavana avy amin’izy ireo. Nentina tany amin'ny toeram-pitsaboana tsy miankina iray ao Antsirabe mialoha ny nandefasana azy tao amin'ny Centre Hospitalier de Soavinandriana (CENHOSOA) aty Antananarivo. Voamarina hatrany nandritra ny fandraisan'ny toeram-pitsaboana nitondrana azy fa manana aretina "Insuffisance rénale aigue" ity mpianatra ity ary nitarika ny fahafatesany, hoy ny minisitera. Niantohan'ny fanjakana avokoa ny fitsaboana sy ny fitaterana natao taminy saingy tsy tana ny ainy. Rehefa halalinina ny zava-misy dia manahy ny havany fa vono na herisetra no nahafaty azy, raha milaza kosa ny tafika fa noho ny aretin’ny voa nahazo azy. Somary manitikitika ny saina sy mampametra-panontaniana ny hoe: tsy fantatra tany amin’ny fifaninanana sy ny fizahana ara-pahasalamana nialoha ny nahatafidirany ho mpiofana ve io tsy fahasalamany io fa efa tany amin’ny ACMIL mihitsy vao fantatra raha izay tokoa ? Ao anatin’ny sokajy sarotra anefa io aretina io. Izany ve tsy nisy fahadisoana goavana tamin’ny mbola nanafahana fanadinana azy nahatafidirany ho mpianatra tao ? Dia inona izany no nahatonga ireo mangana sy ratra tamin’ny vatany? Mampiahiahy ity raharaha ity!
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.