Hijoro ho raiamandreny hatrany ny tenako, hoy i Abdoul Hady, raha naneho ny heviny mikasika ny savorovoro mitranga eo anivon’ny samy Silamo eto Madagasikara amin’izao fotoana izao.
Tsy mifanaraka amin’ny toe-tsaina maha silamo ny mifanala baraka eny amin’ny Fitsarana toy izay nitranga teny Anosy omaly. Raha izao fihetsika izao no tsy handraisana fepetra dia lasa fihetsika fampihorohoroana mihitsy. Mila sorohana ny toy izao ary hirariana mba hahita marimaritra iraisana. Mivaky roa ny mpino silamo amin’izao fotoana noho ny tsy fanekena intsony ny zava-misy iainana eo anivon’ny Fikambanan’ny Silamo Malagasy na ny FSM. Tsy misy ny fifampisandohana andraikitra fa ny fidongiana toerana no tsy ekena intsony. Marihina moa fa efa tokony hanao fifidianana ity fikambanana ity. Isaky ny telo taona ny fe-potoam-piasan’ny birao kanefa dia efa fito taona izy ireo izay no teo, raha ny fampitam-baovao.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.