«Tsy amidy fa hafindra toerana ilay Abatoara eny Ankadindratombo» raha ny fanazavan’ny minisitry ny fiompiana Randriamampionona Joseph Martin na Dadafara omaly teny Ampandrianomby.
Voalazany fa nohon’ny loto sy ny fofona avoakan’ity toerana ity no tsy nandraisana izao fanampahan-kevitra izao. Efa nisy, hoy i Dadafara ny antso nalefa tamin’ireo olona izay mahita vahaolana eny fa na ireo mpamono omby aza saingy tsy nisy izany hatramin’izao fa ireto teratany vahiny ireto izay monina tsy lavitra ny toerana no nahatsapa fa mety hisy fihatraikany amin’ny fahasalaman’ny mponina izany ka nandray andraikitra izy ireo. Nisy araka izany ny fifampiresahana teo amin’ny Ben’ny tananan’Alasora sy ireo Sinoa mba hitady toerana ka eny Ankadievo no voalaza fa mety no sady manaraka ny fenitra. Nanamarika ny minisitra fa ireo mpiasa ao amin’io Abatoara io ihany no hiasa ao rehefa voafindra ny toerana. Tetsy ankilany nihaona sy nitafa tamin’ny mpanao gazety teny Ankadindratombo ihany koa omaly ireo mpamongady omby miisa 20 sy ny fikambanana HAFARI Malagasy ary ny RNDC mpiaro ny zon’ny mpanjifa. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa ny FID no nanamboatra io toeram-pamonoan’omby etsy Ankadindratombo io izay mamelona olona aman’arivony. Raha misy ny fivarotana izany hoy izy ireo dia tokony hisy ny tolo-bidy handeha fa tsy tahaka izao. Nilaza izy ireo fa raha amidy ny toerana dia sahin’izy ireo no mividy izany 250 tapitrisa Ariary. Nisy ny antso manokana nataon’izy ireo tamin’ny Ben’ny tananan’Alasora mahakasika izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.