Tsy nakatona fa naato mandritra ny fotoana voafetra, efatra na dimy andro, ny abatoara etsy vontovorona raha ny nambaran’ny Minisitry ny fiompiana Randriamampionona Joseph Martin na Dadafara
. Nisy ny pitsopitsony ara-teknika tsy voahajan’ity toeram-pamonoana omby ity, eo ihany koa ny fenitry ny fahadiovana izay mila averina amin’ny laoniny eny an-toerana izay mitarika ny tsy fahatomombanana eo amin’ny fanantanterahana ny asa atao eny, hoy izy. Rehefa voahaja ireo rehetra ireo dia afaka misokatra indray ny abatoara ka miverina manao ny asa fanao mahazatra ny tompony. Mahakasika ny famotsiana taratasin’omby halatra dia hentitra ny minisitra nilaza fa tsy misy hidiran’ny minisiteran’ny fiompiana ny mahakasika izany fa aleo ny mpitandro ny filaminana no hanao ny asany. Nisy moa omaly ny atrikasa mahakasika ny fiompiana niarahana tamin’ireo firenena miisa 25 eto Afrika ka tamin’izany no nilazan’Atoa minisitra fa hohamafisina ny fahaiza-manao eo amin’ity sehatra ity eo amin’ny samy firenena Afrikanina, hisy ihany koa ny fanarenana ny lesoka eo amin’ireo mpitsabo biby ka homena toerana bebe kokoa izy ireo hanaovany fampiharana rehefa mahavita ny fianarany, anisan’izany ny fanokafana ireo toeram-piompiana miankina amin’ny fanjakana nikatona izay sady misy fampiofanana no misy fampiharana. Ezahina ny hisian’izany manerana an’i Madagasikara, hoy ny minisitra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.