Hiverina amin’ny heriny tsy ho ela ny orinasa TIKO, taorian’ny taona 2009 izay nanapotehana tanteraka ity orinasa Malagasy iray ity.
Ny 50 ka hatramin’ny 80 %-n’ny orinasa mantsy ankehitriny no efa mihodina, hoy ny tale jeneralin’ny A A A Rabenatoandro Lanto miaraka amin’ny orinasa TIKO tamin’ny mpanao gazety omaly. Efa manomboka mamokatra ireo karazam-bokatra nahafantarana ny orinasa hatramin’izay izy ireo. Nambarany fa tsy miova ny kalitaony ary tsy mena-mitaha amin’ny an’ny hafa ny tsirony. Anisan’ireny ny school milk, ny dibera, ny fromazy, ny glasy Corn’ico, ny ronono, ny zava-pisotro Classiko Cola, Classiko orange…, eny hatramin’ny vary.
Efa manao vary koa
Efa mihodina ihany koa ilay milina fitotoam-bary ao Ambatondrazaka amin’izao fotoana izao hahafahana mamatsy ny varotra anatiny sy hoenti-miady amin’ny fidangan’ny vidim-bary eny an-tsena. Vokatra maro tsy tambo isaina no hiparitaka eny an-tsena mialohan’ny faran’ny taona mba hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa mandritra ny fety. Tsiahivina fa anisan’ny mandray anjara amin’ny Salon de l’Industrie de Madagascar tanterahina etsy Tanjombato izy ireo nanomboka omaly. Tsy diso anjara amin’izany ireo tantsaha mpamokatra avy amin’ny faritra maro izay miara-miasa amin’izy ireo. Anisan’ireny Andriamatoa André, tantsaha avy any Faratsiho izay maniry mafy ny hiverenan’ny orinasa TIKO amin’ny heriny hahafahan’ity orinasa iray ity mandray ny vokatra ronono sy ny katsaka izay vokarin’izy ireo. Tena nitotongana tokoa mantsy ny fari-piainan’izy ireo nanomboka ny taona 2009 no ho mankaty satria voatery namidy mora avokoa ny vokatra rehetra. Hiitatra miandalana moa ny fisokafan’ny orinasa TIKO manerana ny Nosy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.