Taraiky tanteraka i Alain Ramaroson, izay efa 8 volana no migadra any am-ponjan’Antanimora. Tena adinon’ireo manodidina azy tanteraka ity mpanao politika fanta-daza tamin’ny raharaha fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009 ity.
Resaka ady lova no nambara ho nampidoboka am-ponja azy, saingy tsikaritra ho misy ambadika politika ihany. Tsy arakaraka ny anjara toerany tamin’ny andron’ny tetezamita ny zava-manjo azy ankehitriny satria miady irery sy tsy misy mpiahy ara-bakiteny. Ny olona akaiky tao an-trano ihany aza no voalaza fa tompon’antoka amin’ny fandentehana azy noho izy tsy mety miova hevitra, ka hangina sy tsy hanakiana intsony ny fitondrana HVM, raha toa ka maniry an’izany mafy io olona akaiky azy io. Voalaza fa tokony ho navoaka i Alain Ramaroson tamin’ny fotoana nanaovana ny Frankofonia saingy nijoro hatrany tamin’ny heviny, ka dia izao vao mainka nilentika tanteraka izao. Voalaza ihany koa fa nahazo tsenam-barotra tamin’ireny asa tamin’ny frankofonia ireny mihitsy ilay olona akaiky azy, ka naleony namoy an’i Alain Ramaroson higadra any am-ponja, toy izay ho very fihinanana. Ireo namana aman-tsakaiza niara-nitolona sy niara-dalana taminy ihany koa efa nanadino ary tsy miaraka amin’ny tsy afaka, ara-bakiteny satria reraka sy resy tanteraka ity namana, ka tsy misy tombontsoa azo antenaina intsony any aminy. Re ankehitriny fa aleon’i Alain Ramaroson manamafy orina ny fihavanana amin’ireo mpiara-migadra aminy satria efa tena naloan’ny fiarahamonina aty ivelany ny tenany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.