Noho ny raharaha misy any an-toerana ka mahasaringotra ny zanak’i Besalampy maro izay voatazona any amin’ny fonjan’i Mahajanga ankehitriny dia nanapa-kevitra izay vehivavy any amin’ity distrika ity fa hatao andro fisaonam-pirenena ny ho an’i Besalampy ny andron’ny 8 martsa 2017.
Tsy hisy, araka izany, ny ho solontenan’ity distrika ity amin’ny fankalazana nasionalin’ny andron’ny vehivavy eran-tany hotontosaina eto Antananarivo. Ny any Besalampy aza, hoy ihany ity depiote ity, dia hivory hanangana saina sy hampidina azy ho mariky ny fisaonam-pirenena any an-toerana dia samy miparitaka tsirairay avy rehefa avy eo amin’io andron’ny 8 martsa io.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.