Actualités

8 martsa eto Iarivo Miompana amin’ny fanarenana


  • Talata 08 Martsa 2016

Tamin’ny alalan’ny fanadiovana ny fanombohan’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra ny fankalazana ny 8 martsa izay andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy.

 

 Nodiovina sy norarahana fanafody mamono bibikely ( DDT) ny teny amin’ny « esplanade Analakely » sy ny tao amin’ny toeram-piasana , izany hoe ny lapan’ny kaominina. Niara-nisalahy tamin’ireo vehivavy mpiasan’ny kaominina izay notarihin’ny talen’ny kabinetra tamin’ity asa fanadiovana teny Analakely ity ny sampana BMH sy ny mpamonjy voina. Taorian’ny asa dia nanome toky ireo mpiasa fa hotohizana ny asa fanadiovana toy izao fa ho an’ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy kosa dia hitohy amin’ny alalan’ny hetsika maro samihafa izany anio ho an’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra. Vao maraina amin’ny enina ora sy sasany maraina dia filaharambe hotarihin-dramatoa ben’ny tanàna hataon’ny vehivavy rehetra no anokafana ny fotoana. Fanentanana maro samihafa hafanain’ny mpanakanto maro isan-karazany kosa no hanafana ny fizarana loka ho an’ireo izay mendrika tamin’ny karazana kilalao sy fifaninanana nentina nanamarihana izao andron’ny 8 martsa izao. Ny tolak’andro kosa dia hisy ny adihevitra an-databatra boribory izay anasana ny andriambavilanitra rehetra hatao etsy amin’ny lapan’ny tanàna. Ho an’ny kominin’Antananarivo Renivohitra dia ny hoe « Miara-manangana an’Antananarivo isika » no foto-kevitra entina hanamarihana ity andro iraisam-pirenena ity.


Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT