Nifamahofaho be ny toe-draharaha omaly hoe : andro iasana sa tsia iny andro nidiran’ny rivodoza teto afovoan-tany iny. Nazava ny fanapahan-kevitry ny Minisiteran’ny
fanabeazam-pirenena manerana fa tsy mianatra ny mpianatra amin’ireo faritra nahazo fanairana miloko mena saingy tsy mba nasiana resaka ny momba ny mpiasa na dia efa loza mitatao aza no nisy, ka maro no voatery tsy maintsy nandao ny tokantranony, ka niaritra ny ora-mikija vokatry ny tahotra ny mpampiasa satria tsy nisy ny fanambarana tamin’ny fomba ofisialy. Na dia efa fantatra aza fa tafiditra tao anatin’ny fanairana miloko mena na ny loza mitatao ny faritanin’Antananarivo izay ahitana ny faritra efatra dia Analamanga, Itasy, Bongolava, Vakinankaratra, dia tsy afa-nanoatra ny ankamaroan’ny mpiasa, indrindra fa ny sehatra tsy miankina. Ny maraina vao nilaza ny praiminisitra Mahafaly Olivier fa tsy tokony hisy mpiasa miasa intsony ary hentitra mihitsy ny tenany nilaza fa tsy tokony hitsivala-pandry ny tompona orinasa. Niantso ny vahoaka Malagasy ny praiminisitra mba hiomana amin’ny fandalovan’ny rivodoza. Manoloana izao loza voajanahary mahazo ny firenena izao, dia tena niandry izay nigadonany ara-bakiteny ny mpitondra. Efa fantatra hatry ny ela ny tsy maintsy hisian’ny loza, saingy tsy mba niomana ho amin’izany ny fanjakana foibe. Potika ny tanànan’Antalaha, simba i Maroantsetra. Distrika maro no dibo-drano, foto-drafitrasa maro no potika. Lalam-pirenena miisa dimy no tapaka omaly, dia ny RN6, eo amin’ny PK220 noho ny fahavakisan’ny bizo. Toy isaky koa ny lalana Sambava-Antalaha vokatry ny tetezana misy mitritra. Sambava-Andapa, feno ranontany “éboulement” efa ho 13 amin’ny lalana. Tapaka vokatry ny fiakaran’ny rano ny RN5. Ny RN44 indray feno fiarabe mihitsoka sy mitsivalambalana ny lalana. Ankoatra izay dia efa mananika ny 6000 ireo traboina, 7 ireo Malagasy namoy ny ainy. Tarehimarika vonjimaika ihany anefa ireo, satria dia tsy mbola levona ilay rivodoza Enawo, fa manohy ny diany amin’iny afovoany andrefan’i Madagasikara iny. Tao amin’ny distrikan’i Soavinandriana Itasy no nisy ny foibeny tamin’ny folo ora alina. Mba manao ahoana, ohatra, ny resaka tahirim-bary izay tokony mba ho azon’ny vahoaka jifaina amin’ny vidiny mirary ? Sarotra ny fahitana ireo zavatra ilaina andavanandro noho ny fisian’ny mpanararao-paty. Fisehosehoana ivelany tsy hahavitan-javatra fotsiny no ataon’ny mpitondra fa tsy tena fandraisan’andraikitra. Ny birao nasionaly misahana ny loza voanjanahary (BNGRC) aza moa voalaza fa tsy manana tetibola hoenti-miasa.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.