Actualités

67 HA Tratra Rapapozy mpanendaka


  • Zoma 07 Aprily 2017

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny boriborintany fahafito etsy 67 Ha i Papozy, 26 taona monina eny Andohatapenaka rehefa avy nanendaka findaina Ramatoa iray teny 67Ha akaikin’ny fiangonana Loterana ny talata lasa teo.

 

 Avy nanatitra ny zanany nianatra ity ramatoa no sendra an-dRapapozy. Niezaka nanenjika ihany ilay tompon’ny finday sy ilay tovolahy iray nahita ny zava-niseho saingy efa tsy tratra intsony ny lehilahy. Nilaza anefa ilay tovolahy fa hitany ny tranon’ilay olon-dratsy ka nandeha teny amin’ny polisy izy ireo nametraka fitoriana. Nandeha teny amin’ilay fokontany voalaza fa hipetrahan-dRapapozy avy hatrany ny polisy taorian’izay. Nitsoaka avy hatrany izy raha vao nahita ny polisy ka raikitra ny fifanenjehana. Mbola ilay akanjony tamin’ny fanendahana ilay Ramatoa ihany anefa no nanaovany ka  noraisim-potsiny izy. Natolotra ny fampanoavana omaly ny lehilahy.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT