Actualités

67 HA Ankizivavy marary saina 13 taona naolana rangahy 50 taona


  • Alarobia 21 Janoary 2015

Tovovavy kely vao 13 taona monja sembana ara-tsaina no naolana lehilahy iray mamolava mananika ny 50 taona, monina ao Antetezana Afovoany, afak'omaly alina, tetsy 67 ha Atsimo.

 Raha ny fanazavana azo dia naolan'ity rangahy ity tao anaty trano rava dibodrano ilay zazavavy rehefa nomeny vola roa arivo ariary sy avy nividianany "composé". Omaly maraina dia nahatsikaritra tsiranoka hafahafa niraraka teo amin'ny feny ny reniny ka namototra ary nilaza ny zava-nihatra taminy ilay zaza. Raha ny fanazavana hatrany dia simba tanteraka ity zazavavy tsy salama saina ity, taorian'ny fizahana tsy maintsy natao azy. Nanda ny fiampangana azy ilay mpanolana, nefa nahagaga ny rehetra ny nanaovany raharaham-pihavanana. Tsy nanaiky anefa ny fianakavian-drazazavavy. Raha ny vaovao voaray hatrany, dia efa voasoketa amin'ny fanodinkodinana sy filan-dratsy amin'ny zaza tsy ampy taona io rangahy io. Noho ny  toetrany dia nisitaka taminy ny vadiny noho ny henatr'olona. Tamin'ity indray mitoraka ity, tsy voatamby vola intsony ny asa ratsiny. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT