Actualités

60 miliara dolara atobaky ny Sinoa aty Afrika Hahazo ny anjarany i Madagasikara


  • Alarobia 23 Martsa 2016

Hanamarika manokana ny fifandraisana ara-diplomatika ho an’i Madagasikara amin’ity taona ity ny fandraisana ny fivorian’ny Comesa sy ny fihaonamben’ny frankofonia amin’ny volana novambra ho avy izao saingy tsy

 

mitazam-potsiny ny fivoaran’ny toe-draharaha politika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, indrindra ho an’ny aty Afrika ny fitondrana Sinoa. Omaly ary dia nitsidika ny minisitry ny Fanajariana ny Tany, izay sady misahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena ny masoivoho Sinoa eto Madagasikara ka ny fanatanterahana ireo fampanatenana nataon’ny fanjakana Sinoa ho an’ireo firenena sahirana aty Afrika no tena niompanan’ny fihaonana. Tsiahivina fa i Madagasikara dia anisan’ireo firenena misitraka izany fanampian’ny fanjakana Sinoa izany. Nandritra ny fihaonan’ny filoham-pirenena sinoa sy ireo mpitondra fanjakana afrikanina izay natao tao Afrika Atsimo tamin’ny taon-dasa dia nampanantena ny hanampy ny kaontinanta afrikanina mitentina hatrany amin’ny 60 miliara dolara vola Amerikanina ny fanjakana Sinoa ka mitsinjara arakaraka ny firenena tsirairay ny fanampiana. Ho fanatanterahana ny anjaran’i Madagasikara no anton’ny fihaonana omaly. Tsy ny frankofonia ihany izany no azo andrandraina fa hitondra fanampiana ho an’ny firenena malagasy fa dia mihetsika ihany koa ry zareo Sinoa izay tsy vao izao tsy akory no niara-niasa tamintsika.

Andry Ratovo

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT