Efa miomana sahady amin’ny mety ho fiakaran’ny rano indray ny Biraom-pirenena momba ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC),
ka efa misy, ohatra, ny sambo napetraka any amin’ny faritra Atsinanana. Hatreto, 108,305 taonina ny vary, 13000 taonina ny voamaina,… voaangona ho an’ny traboina hatramin’ny omaly. Betsaka, ary tena mandeha araka ny tokony ho izy ny fitsinjarana. 8205kg no ao amin’ny fitehirizan’entana sisa tsy voazara, ary tena mazava amin’ny antsipirihany no toerana nizarana izany, hoy ny Jeneraly Elack Olivier Andrianjaka Tale Jeneralin’ny. 27361 tokantrano no traboina, ary nisy ny efa nanaovan’ny fanjakana tolo-tanana teo no ho eo, teo ny nataon’ny olona, ary misy ny avy amin’ny BNGRC,… Mandritra ny asa rehetra hetsika rehetra: na UNICEF io, na minisitera, na ONG, Fikambanana, dia tsy maintsy miainga avy ao amin’ny BNGRC ny fandrindrana. Tsy afaka manao ny sitrapony ny UNICEF hoe hoentinay ary na aroa satria misy toerana efa mety nitondrana fanampiana, kanefa misy toerana hafa tsy nanaovana. Ao no iaingan’ny fandaminana. Raha nanontaniana momba ilay 50 tapitrisa dolara avy amin’ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena kosa ny tenany dia naneho fa tsy natao ho an’ny BNGRC iny fa fanampiana ny fanjakana amin’ny ankapobeny, ary tsy voatery ho resaka loza, fa na ny resaka fampandrosoana aza. Izay zavatra tsy vita amin’ny fanampiana, dia manampy ny governemanta ary miara-miasa amin’ny aty amin’ny BNGRC sy ny any amin’ny minisiteran’ny tetibola amin’ny resa-bola, hoy ny fanazavan’io tompon’andraikitra io. Marihina moa fa ny 16 desambra 2019 no nanaovana sonia amin’ny fanomezan’ny Banky Iraisam-pirenena an’io volabe 50 tapitrisa dolara io mba hiatrehana ny loza voajanahary.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.