Mahazo laka ny fanamparam-pahefana sy fandikan-dalàna ataon’ny vahiny amin’izao, ka manjaka tokana toa tsy maty manota izy ireo eto amintsika
. Ny alin’ny zoma teo, tokony ho tany amin’ny 9 ora sy 20 minitra tany ho any, tao Toliara, dia fiara 4x4 nentina vazaha iray efa mamomamo nandeha mafy no nifaoka ka nandona mpivarotena iray niresaka tamin’ny mpanjifany teo amoron-dalana. Naratra mafy voafaoky ny « pare-brise » teo amin’ny ilan-tsandriny an-kavia ilay koaitra. Tsy nijanona ilay vazaha anti-dahy nandona fa nanohy ny diany sady mbola nirimorimo. Tsy nohenoiny ny teo amin’ny manodidina niantsoantso azy, nisy mihitsy nitoraka ny fiara nentiny. Matetika mamoa-doza ny vahiny eto amintsika, ary tazanim-potsiny toy ny tany nahalavoana ny hadalana sy ny fandikan-dalàna ataon’izy ireo. Ny gasy indray no lasa kely tsy mba mamindro amin’ny taniny !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.