Actualités

4 x 4 tokony ho an’ny depiote Omeo ny mpitandro filaminana hanenjehana dahalo


  • Talata 22 Septambra 2015

Tena mbola mirongatra ny asan-dahalo any amin’ny distrikan’Antsalova Faritr’i Melaka ankehitriny, hoy ny solombavambahoaka voafidy tany an-toerana, Ramarolahy Maurice

 

. Efa nampita im-betsaka aho, hoy izy, no nitatitra ny vaovao taminareo mpanao gazety  izay mpampita resaka amin’ny ankapobeny nefa mbola tsy misy mihaino firy hatramin’izao. Koa eto indray aho dia manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana indray ny mba hamatsy fitaovana ireo mpitandro ny filaminana any an-toerana sy hanampy ny isan’izy ireo fa tsy afa-manoatra ry zareo na dia miezaka manao ny asany aza. Tsy misy koa fomba hahazoanay depiote manara-maso ny asan’izy ireo izay anisan’ireo mpanatanteraka raha tsy tomombana izany fitaovany izany. Tsy maninona raha tsy omena 4 x 4 izany aza izahay depiote fa omeo ireo mpitandron’ny filaminana hanenjehany dahalo manarena ny Nosy kosa izany, hoy ny depiote Maurice. Tokony samy handray andraikitra koa isika mianakavy manoloana ity raharaha fanetriben’ny firenena ity ary tokony hifampihaino koa ny rehetra fa tsy ekena mihitsy ohatra ny fandehanan’ny mpitandron’ny filaminana irery any amin’ny toerana misy ny dahalo raha tsy miaraka amin’ny fokonolona mahay ny lalana izy ireo.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT