Fianakaviana 14 no tsy manan-koraisina taorian’ny hain-trano nitranga ny alin’ny alahady hifoha ny alatsinainy tetsy amin’ny 3G Hangar-Antohomadinika.
Tampoka tamin’izy ireo ny afo, saika trano hazo rahateo no nisy azy ireo, ka mora nirehitra. Trano 7 no potika tao anatin’izany, nahitana olona 64, ka olon-dehibe ny 28 amin’ireo ary ankizy ny 36. Tsy nisy aina nafoy fa ny fahavoazana ara-materialy no tena goavana. Levon’ny afo, izay mba kely nohariana an-taonany maro. Omaly vao maraina dia tonga nanao tombana ny fahavoazana ny iraky ny minisiteran’ny mponina, hahafahana manampy ireo traboina.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.