Actualités

27 lahy eny Tsiafahy Hampiady ny Miaramila sy ny Mpitsara


  • Talata 18 Jona 2019

Ampihorohoroana ny mpitsara mba hamoaka ireo miaramila 27 naiditra am-ponja noho ny raharaha famonoana olona miisa 3 avy any Ambohimahasoa natsipy tao amin’ny reniranon’i Onive teny Ampitatafika distrikan’Antanifotsy hita ny 31 mey teo.

 

 

Toa misy fampiantsoana “procureur” na lehiben’ny tonia mpampanoa lalàna sy Filohan’ny Fitsarana mihitsy, hoy ny Filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara na ny SMM Clément Jaona omaly. Mivoaka hatramin’ny resaka fa misy andiana miaramila hikomy sy tsy handray anjara amin’ny fetim-pirenena, ka misy io matoa tonga hatrany anaty fesiboky, raha ny heviny. Tsy manaiky fampihorohoroana izahay aty amin’ny Fitsarana, ary avelao ny fitsarana hanao ny asany, hoy ity mpitsara ambony ity hentitra dia hentitra. Tokony hoesorina ihany koa, hoy izy, ny “autorisation de poursuite” na alalana hahafaha-manenjika olona ambony izay angatahana alalana amin’ny lehibe vao azo henjehina satria hafa raha heloka ara-miaramila, fa rehefa heloka manitsakitsaka ny maha olona, tonga dia azo samborina. Ohatra ny olona namono olona rehetra ireo, ary efa nankato sy nanasonia ny fanafoanana ny fanamelohana ho faty na ny “peine de mort” isika. Re fa nisy ny baiko hoe: avotsory saingy tsy navotsotra. Ahiana ny ho fivoahana tsiambaratelo mombana aferana basy, ka izay no namonoana azy ireo, raha ny fahitan’ny filohan’ny SMM azy.

Olona 10 indray no maty

Tany Amparihitsiritra, Kaominina Ankeliloha any Tsaratanana, dia olona 10 indray no maty novonoin’ny miaramila, nolazaina fa dahalo ka ny 3 mpirahalahy. Any Mahatsinjo Kaominina Betrandraka, dia fanolanana fotsiny indray ao no ataon’ny miaramila. Any Ambanjabe sy Ambatomitsangana, dia vaky trano indray satria ny olona mandeha miasa any an-tanimbary mandidy vary, ka alaina ny vola sy ny firavaka na koa zavatra sarobidy. Araka ny fitarainan’ny olona, aleony mihaona amin’ny dahalo toy izay mihaona amin’ny mpitandro filaminana, raha ny vaovao azo, hoy ity mpitsara ity.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT