Nankalazaina tao Antsirabe ny faha-25 taona niorenan’ny FIFATA na ny “Fikambanana Fampivoarana ny Tantsaha”, omaly Alatsinainy 29 Septambra 2014, ka teny amin’ny foibe-toeran’ny fikambanana ihany no nanaovana izany
Nambaran’Atoa Rakotovao Rolland, filohan’ny fikambanana amin’izao fotoana fa tany am-piandohana dia 500 no isan’ny mpikambana tamin’izany ary ny faritra Amoron’i Mania sy Vakinankaratra no niasana. Amin’izao fotoana dia mahatratra 179.000 ny mpikambana ary efa mahahenika ny faritra 10 eto Madagasikarana ny fikambanana. Ankoatra ireo dia misy vovonana fikambanana rejionaly miisa 8 mivondrona ao aminy ary vovonana kaoperativa iray ahitana zotram-pihariana miisa 4 amin’izao fotoana. Tanjon’ny fikambanana ny haha matihanina ireo tantsaha mpamokatra izay ezahin’ny fikambanana hatrany ny manofana azy ireo ary amin’izao fotoana dia efa ny tanora amin’ny alalan’ny: “Collège Agricole”, izay mampiofana azy ireo mandritra ny telo taona no ataon’ny Fifata ka efa misy 4 izany manerana ny Nosy amin’izao fotoana, ka ny hahamatihanina ireo tantsaha amin’ny fihariana ataony no tanjon’ny fikambanana.Nanamarika moa ny Minisitry ny Fambolena sy ny fampandrosoana ny eny Ambanivohitra, Atoa Ravatomana Roland fa efa nitondra ny anjara biriky ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara ny Fifata ary mbola manohy izany hatramin’izao. Nisy moa ny tsangambato nanamarihana ny tsingerin-taonany ary nanotrona ity hetsika ity avokoa ireo fikambanana marobe avy any amin’ny faritra hafa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.