Volabe manodidina ny 240 miliara ariary isan-taona no tsy homena ny kaompania mpanafatra solika intsony taorian’ny fanapahan-kevitra noraisina tamin’ny fampidinana ny vidin-tsolika.
Io ilay fanentsenana na “subvention” ambara fa hahafahana mitazona izany tsy hidangana. Efa vidiny tena izy (verité de prix) anefa io mihatra io, raha ny nambaran’ny mpitondra fanjakana ary miala izany ny vesatra miala ao anaty kitapombolam-panjakana. 170 miliara ariary any ho any ihany koa no re fa fanentsenana na “compensation” amin’ny tahiry hikojakojana ny lalana saika mbola notakian-dry zareo fa toa nolavin’ny fanjakana. Mihena izany ny vesatra, izay azo hanaovana zavatra hafa ho amin’ny tombotsoam-bahoaka izany volabe izany. Eo ohatra ny vidin-jiro, izay tena mafy amin’ny isan-tokantrano na dia ny 15% amin’ny Malagasy ihany aza no misitraka izany hatreto. Io no iankinan’ny famokarana sy ny indostria eto, ka tokony hisy fijerena akaiky satria anisan’ny fampanantenan’ny filoham-pirenena rahateo ny hampidina io saran’ny herinaratra io. Miezaka miala amin’ny fanampiana ara-bola ny orinasam-panjakana ny fanjakana, saingy maro ny endrika hahafaha-manao zavatra amin’ireo volabe ireo. Marihina fa ilay vidin-tsolika aloha hatreto tsy miantraika amin’ny saran-dalana, ka mila jeren’ny fanjakana akaiky.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.