Mizotra araka ny tokony ho izy ny fananganana ny komitim-pampandrosoana Ifotony (CLD) raha ny nambaran’ny senatera Ravelomanantsoa Léon, miahy ny Distrikan’Antsirabe II sy Mandoto ao Vakinankaratra.
Nanatrika hatrany ny fananganana ity rafitra CLD ity ny tenany nandritra ny roa andro tany Mandoto sy Andranomanelatra ka nambarany fa tsy nisy ny olana hatreto. Nizotra ara-dalàna ny asa rehetra. Na kely aza ny sora-bola, 200 tapitrisa Ariary isan-taona isaky ny Distrika, dia atao toy ny mason-tsokina io ka ny kely ananana no ahiratra. Ho an’ny Distrikan’i Mandoto dia moramora ho azy ny hampiasana ny vola noho ny maha vitsy, sivy monja, ny Kaominina ao aminy. Tetikasa mifanaraka amin’ny filan’ny mponina no arafitra amin’ity fanampiana ara-bola ny Distrika ity ka mora tamin’ny Ben’ny tanàna ny fanaovana izany. Saika ny lalàna sy ny rano fisotro madio avokoa moa ny tetikasa ataon’ny maro, ankoatra ny fampitaovana ny kaominina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.