Actualités

14 oktobra Adino tanteraka ny fanamarihana azy teto an-drenivohitra


  • Alakamisy 16 Oktobra 2014

Tena hadino tanteraka ny fankalazana ny fetin’ny Repoblika voalohany, ny 14 oktobra teto an-drenivohitra raha nahenoana akony ihany tany Mandritsara toerana nahaterahan’ny filoha Philibert Tsiranana tamin’ny talata teo. Tsy mba nisy na tamingana olona na fikambanana iray aza tonga nanatitra voninkazo tetsy amin’ny tsangambaton’ity rain’ny fahaleovantena ity tetsy Antaninarenina tamin’io andron’ny 14 oktobra io. Ireo sendra nametraham-panontaniana teny an-toerana aza moa somary sanganehana ny amin’ny tsy fahafantaran’izy ireo mazava an’ity daty malaza ho an’ny firenena ity.

Mme Noeline (manodidina ny 60 taona)

Tantaram-pirenena ilay 14 oktobra, mahafantatra izany aho satria mpampianatra no asako ka mampita amin’ny ankizy ny fahalalana tokony hananany haha olom-pirenena feno azy. Tsaroaka tamin’izany na dia mbola kely aza ny fisian’ny fety famonoana kisoa sy ny podium hatrany Vakinankaratra nisy anay, indrindra ny fanaovan’ny mpianatra matso.

SARY : Mme Noeline

 

Rajean (manodidina ny 50 taona)

Tadidiko ny fetin’ny 14 oktobra saingy tsy fantatro hoe iza no mpikarakara azy ? Ny fetim-pirenena tena fantatro mantsy dia ny 26 jona. Fa ankehitriny dia manaraka ny fiainam-pirenena aho ka manameloka ny fisamborana an’i Marc Ravalomanana tonga hanavotra ny firenena nopotehin-dry Rajoelina sy ny tariny tamin’ny tetezamita.

SARY : Rajean

 

Solotiana (20 taona)

Resadresaky ny olona no mba hahafantarako sy handrenesako tsilian-tsofina izany 14 oktobra izany. Izahay moa mbola tanora tsy naharaka tantara fa ny fetin’ny 26 jona no tena fantatra, ny 15 aogositra “assomption”, ny  1 novambra fetin’ny olomasina ary ny fetin’ny asa 1 mey.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT