• Alarobia 01 Aprily 2015
Edito.Ho hita eo indray ary !

Tsy kilaingalainga na fampiesonana araka ny fomban’ny vahiny amin’ny maha 1 aprily ny datin’andro anio fa dia hiresaka vao maraina amin’ny mpanao gazety eny Ivato ny filoham-pirenena taorian’ny diany nanatrika ny fivorian’ny Comesa tany Addis Abeba –Etiopia.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 31 Martsa 2015
Edito.Krizy vaovao ?

Mampanahy be ihany ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana satria arakaraky ny nirosoana lalindalina kokoa amin’ilay fampihavanam-pirenena no toa mipoitra ny karazan’olana, miha mafana indray ny adihevitra eo amin’ny tontolo politika ; tsapa fa toa misy miezaka manakorontana mihitsy ny daomy, araka ny fomba fiteny.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 24 Martsa 2015
Edito.Hafa ihany i Dada !

Mihazakazaka ny raharaham-pirenena. Ny nifaranan’ny hetsika fanao isan’andro teny amin’ny Magro nandritra ny enin-taona no ela dia indro fa tonga nanolotra vola an-jatony tapitrisa euro teny Mahazoarivo ry zareo eoropeanina mba hanamboaran-dalana sy hamonjena ny Jirama ary hikarakarana ny fampidirana rano fisotro madio amin’ny faritra maro manerana an’i Madagasikara.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 23 Martsa 2015
Edito.Miasa miaraka…

Pejy iray teo amin’ny tantara politikan’i Madagasikara no nivalona niaraka tamin’ny fitsaharan’ny tolon’ny Magro. Naharitra enin-taona ny hetsika, tao anatin’ny fitakiana ny fiverenana amin’ny ara-dalàna, ny fanoherana ny fanapotehana ny firenena ary ny fiverenan’i Marc Ravalomanana

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 19 Martsa 2015
Edito.Misamboaravoara !

Mandalo kely eto Antananarivo indray ny filohan’ny tetezamita teo aloha, ary totoafo ny fivoriana notarihany omaly, mandrafitra ny paikady politikany ho fiatrehana ny fivoaran’ny toe-draharahan’ny ankolafy Rajoelina, izay manao fihetsika mpanohitra hatramin’izao aloha. Misamboaravoara be ny sehatra politika

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2015
Edito.Ka inona ary ny vahaolana e ?

Vao alatsinainy ny andro dia efa mafampana ny toe-draharaham-pirenena. Mitohy ireo fitokonana isan-tsokajiny amin’ity anio ity, ny an’ny mpiasan’ny tahirimbolam-panjakana, ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana izay hanao service minimum kosa anefa. Hiditra an-tsehatra voalohany anio koa ka hanao fitokonana faoben’ny « inspecteurs du travail »

Hamaky ny tohiny
FTT