Edito

Misy tsy milamina a !


  • Alarobia 20 Mey 2015

Azo handrefesana ny fahantrana eto Madagasikara ny fitomboan’ny herisetra sy ny halatra ary ny fisolokiana isan-tsokajiny ; isan’andro vaky izao dia tsy maintsy handrenesana halatra, fanolanana, vaky trano,

 


 fanakanan-dalana. Ary tsy vitsy ireo mitondra fiara mody amin’ny alina, eny fa na eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina aza no efa sendra ny jiolahy manakan-dalana. Ny ankizy tsy ampy taona avy aza moa ankehitriny no efa manandrana manolana mpampianatra. Misy indray ny ray sy reny niteraka izao no sahy midaroka ary mitady hamono hahafaty ny menaky ny ain’izy ireo mihitsy. Marary ny fiarahamonina eto Madagasikara, maro ny ezaka tsy maintsy mbola atao raha tiana ho tony sy hilamina ny eto, voalohany amin’izany ny fahamatoran’ny mpitondra sy ny mpanao politika satria matetika dia avy amin’ny ataon’izy ireo foana no mampikorontana ity firenena ity. Ary rehefa zarazarain’ny firehana politika izay ny isam-batan’olona, miampy fankahalana na fialonna dia teraka ho azy ny olana ara-piarahamonina.Izany indrindra no antony maha zava-dehibe ny fampihavanana, izay efa natomboky ny FFKM moa ny fitarihana azy, misy zavatra tsy milamina maro be eto ka mila alamina. Efa iaraha-mahalala fa mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana foana no mampikorontana ny firenena Afrikanina maro, anisan’izany i Madagasikara. Ka tsy aleo ve mahay mifandamina tsara aloha, tsy mifandranitra, dia hisosa ny fampielezan-kevitra sy ny fifidianana avy eo fa raha izao dia efa hifampivazavaza na hifandrahona, dia asa fotsiny izay hitranga eto atsy ho atsy manakaiky fifidianana e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT