Edito

Efa mazava ny vokatra


  • Alatsinainy 18 Mey 2015

Manaraka akaiky ny raharaha politika indray amin’izao fotoana ny rehetra satria hiatrika fifidianana i Madagasikara. Hazakazaka arahin-tosika ny fanaterana antontan-taratasy ny zoma lasa teo

 


. Tsy misy intsony resaka amin’ny hoe fampihemorana ny datim-pifidianana, mbola adihevitra be kosa anefa ilay bileta tokana sampona tsy misy sary sady tsy misy ny anaran’ireo kandida. Andrasana izay famoahana ny lisitra ofisialin’ireo kandida mahafeno ny fepetra…Mahaliana manokana ny olona ny momba an’Antananarivo Renivohitra satria eto no tena mafana ny adihevitra politika. Mampiavaka azy koa ny maha kandida an-dRamatoa Lalao Ravalomanana satria maro ny manombatombana fa efa tena mazava ny voka-pifidianana fa handresy ity kandidan’ny TIM ity. Tsy nofinofy io fa tena lojika politika mazava be, taorian’ny hadalana nataon’ny fitondrana tetezamita sy ny tsy fahamatoran’ny fitondrana HVM. Tena ampy nahatsapan’ny olona izay enin-taona izay fa mbola hafa ny tamin’ny fitondran’ny TIM, fampiesonana no natao teto nanomboka tamin’ny 2009. Hita ihany koa fa mipetrapetraka ny paikady politikan’ny antoko Tiako i Madagasikara izay nampiseho fa antoko goavana sy matanjaka izy ary mahay mifandamina sy afaka miara-miasa tsara amin’ny hafa.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT