Anio dia tokony ho fantatra amin’ny ankapobeny ireo kandida mety handresy amin’ny fifidianana ben’ny tanàna eto an-drenivohitra. Hifanesisesy mantsy ny fanaterana ny antontan-taratasy eny amin’ny OVEC Nanisana amin’ity zoma mahafinaritra ity.
Tsy maintsy ho fantatra anio ny kandidan’ireo vondrona sy antoko politika matanjaka tahaka ny TIM, ny HVM, ny MAPAR…Efa fantapantatra ihany ny fironan’Antananarivo, izay tsy dia tia loatra ny kandidan’ny fitondrana, misy ny kandida fantatra fa efa « favori » eto, samy mahafantatra izany ny rehetra saingy miandry ny fanamafisana fotsiny hoe : nilatsaka tokoa ve izy sa tsia ? Raha eny ny valiny dia tonga amin’ilay fitenenana hoe fombafomba sisa atao fa efa vita ny fifidianana ary efa azon’ny maro sary an-tsaina hoe iza no ho ben’ny tanànan’Antananarivo manaraka eo. Ny tahotr’io voka-pifidianana io no mety nahatonga ny sasany nikaroka ny fomba rehetra hizarazarana an’Antananarivo Renivohitra mba hanalefahana ny fahefan’izay ben’ny tanàna ho lany eto, saingy tsy tanteraka hatramin’ny farany moa io tetika io. Mibaribary fa marary, maloto ary mahantra Antananarivo ka noho izany mila olona tena mahavita azy, ary tsy olona variana tamin’ny politika ambony latabatra fa afaka mifandray tsara amin’ny vahoaka sy mahalala, mahay ary mahavita mamaha ny olany amin’ny fiainany an-davanandro no sady manana vina ihany koa.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.