Edito

Hafahafa be ihany


  • Zoma 22 Mey 2015

Inona indray ny mety hitranga ? Iza indray no hanao inona ? Izany no resaka etsy sy eroa, tahaka ny hoe manomboka maloiloy amin’ny resaka politika izany ny olona. Ekena fa niezaka nanao ny asany ny governemanta,

 saingy tsy dia levon’ny vavonin’ny sasany loatra ilay fomba firesak’ingahy praiminisitra, somary nitratrevatreva teny Tsimbazaza omaly. Eny Tsimbazaza izay toa antenimieram-pirenena hafahafa be ihany, tsy misy ny tena hoe vondrona parlemantera manohitra hatramin’izao, tsy fantatra mazava koa anefa izay manohana ny politikan’ny governemanta fa toa miovaova araka ny fiasan’ny hery …miafina ny zava-misy. Sa ve ny vola marina no tena manjaka eny ? Nalaza be teo aloha kely teo ny hoe hisy ny fitsipaham-pitokisana hahazo ny governemanta izay mety hiafara amin’ny fanonganana ny filoham-pirenena mihitsy. Toa nangina ho azy anefa ilay izy rehefa nivoaka ny feo fa hoe tsy ho ravana indray hono ny antenimieram-pirenena e ! Dia tena hafahafa ilay zava-misy eto amintsika, ny atokon’ny fitondrana amian’izany efa tsy menatra intsony manao propagandy mialoha ny fotoana, sady midradradradra ihany hoe tany tan-dalàna, hono, eto. Fa iza avy moa izany no fehezin’ny lalàna e ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT