Edito

Tsy mahavita azy


  • Talata 19 Mey 2015

Asa aloha izay tena ao an-tsain’ny filoham-pirenena fa raha ny hita dia manao hadalana tanteraka ny antokon’ny fitondrana ankehitriny. Tsy menatra intsony manao propagandy mialoha ny fotoana, ampiasaina ny fahefam-panjakana

 hanindriana bokotra ireo olona mety tsy mitovy firehana politika amin’ny tena. Tena mampiteny ny anarany tsotra izao ny olona ambony sasany manohana ny kandidany. Mailaka ny famoahana fepetra sy lalàna sadasada mba haminganana ny vondrona politika sasany saingy mangina ny manampahefana manoloana ny gaboraraky ny HVM, tsy zava-miafina intsony izany fa hitam-poko hitam-pirenena, satria na ny kahie ho an’ny ankizy mpianatra na ny takelaka hazo momba ny fanamboaran-dalana dia ravahana ny loko manga sy fotsy ary asiana manontolo na ny ampahany amin’ny teny filamatry ny antokon’ny fitondrana. Na sinema no atao na tena izy na politika politisianina dia mitovy foana ny vokany : mitombo isan’andro ny tsy fitiavan’ny olona ity antoko milaza fa hitondra hery vaovao ity ary sarotra ny inoana fa ho vitany tokoa ny hampandroso an’i Madagasikara raha mandeha irery izy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT