Edito

Fifanatrehana mafana


  • Alakamisy 21 Mey 2015

Hafampana indray ny eny Tsimbazaza eny amin’ity anio ity satria hifanatri-tava ny governemanta tarihan’ny praiminisitra sy ireo solombavambahoaka, misimisy ihany mantsy ny fimenomenoman’ny olona ny

 


amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena tato ho ato izay, ka raha tena mitondra ny tenin’ny vahoaka tokoa ry zareo depiote dia hafana tokoa ny resaka. Ny fifidianana fotsiny izao dia efa adihevitra be, bileta tokana hafahafa : tsy misy sary sady tsy misy anarana, ny governemanta no nanapa-kevitra ary tsy nanontaniana ny hevitry ny CENIT. Ny propagandy mialoha ny fotoana ataon’ny antokon’ny fitondrana manerana an’i Madagasikara, ny raharaha Air Madagascar, ny resaka delestazy, ny fahapotehan’ny lalana, ny asan-jiolahy, ny fipoirana aretina toa mandripak’olona amin’iny faritra atsimon’ny nosy iny, ny siosion-dresaka amin’ny afera maizina ataona manampahefana sasany kanefa masiaka ery ingahy praiminisitra milaza fa tsy handefitra amin’ny afera sy ny trafika. Miandry ny olom-pirenena raha tena sahy hijoro hanara-maso ny asan’ny governemanta tokoa ny antenimieram-pirenena fa tsy sanatria hanamarina ny siosion-dresaka mandeha etsy sy eroa fa hoe rehefa mahazo tombontsoa na omena vola be ireo depiote dia mangina tsy miteny fa manaiky fotsiny.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT