• Alakamisy 25 Febroary 2010
Actualités.Tapaka ny Agoa Mitady tsena any Alemaina indray ny fanjakana

Rehefa tapaka ny faran’ny taona teo ny Agoa dia nitady mpiara-miasa vaovao hanavotana ireo mpandraharaha mpamokatra lamba nanondrana entana tany Etazonia ny fitondram-panjakana.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 01 Febroary 2010
Actualités.Filankevitra monisipaly Antsirabe : Niravona ny disadisa

Mihazakazaka ny fandehan’ny raharaha politika ao Antsirabe, renivohitry ny Faritra Vakinankaratra taorian’ny nisiana andian’olona mitonona ho iraka avy amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, ary nampiasa taratasin’ny Faritra, mampiantso maika ny Ben’ny tanànan’Antsirabe Olga Ramalason, ho (tsy maintsy) tonga ao amin’ny biraon’ny Faritra ny talata 26 janoary 2010, fa hoe : misy raharaha ilana azy maika.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 01 Febroary 2010
Actualités.Orinasa MILLOT Ambanja : Maty nisy nitifitra tao an-tranony ny « Comptable »

Mirongatra ny fanafihana mitam-piadiana ao an-tanànan’Ambanja Faritra DIANA ao tato ho ato. Ny faran’ny herinandro teo dia metisy sinoa iray “Comptable” ao amin’ny orianasa frantsay Millot, mamboly mamokatra ary manondrana “cacao” no lasibatra. Namoy ny ainy mihitsy tao anaty fifanjevoana.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 01 Febroary 2010
Actualités.Vyvato Rakotovao : Hevitra tenierana no hivoahantsika amin’ny krizy

Hamaritra zavatra ity herinandro diavina ity. Tapitra amin’ny faran’ny herinandro izao mantsy ny fe-potoana 15 andro nomen’ny Groupe International de Contact ireo ankolafy politika handinihana ny vahaolana narosony hivoahana amin’ny krizy.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 01 Febroary 2010
Actualités.Hopitaly Be Toamasina : Tsy misy solika ny gropy, mitokona ny mpitsabo

Efa roa herinandro no nahatsapa ny tsy fahampian’ny solika mampihodina ny « gropy » fiandry teo anivon’ny Hopitalibe na CHU Toamasina ny tompon’andraikitry ny fahasalamana tao aminy.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 01 Febroary 2010
Actualités.Manampahefana HAT : Mifandimby mahazo medaly, fa nahoana ?

Raha ampitahaina ny zava-nitranga tamin’ny fitondrana rehetra nifandimby teto Madagasikara, dia mitana ny laharana voalohany amin’ny fizarana mari-boninahitra ity tetezamitan-dRajoelina ity.

Hamaky ny tohiny
FTT