Dokambarotra tsy nifankahitana no re sy hita teto an-drenivohitra nialoha sy nandritra ny andron’ny 25 jona, nilaza ny momba ny afomanga sy ny jiro laser halefa tetsy Anosy.
Voalaza tamin'ireny dokambarotra ireny fa dia amin’ny 7 ora hariva no hanomboka ny afomanga izay nolazaina fa haharitra an’ora mihitsy aza. Raha ny sary hita tamin’ireo dokambarotra ihany koa dia toa tsy hanam-paharoa ilay izy. Tsy izany anefa no nitranga. Velona ny siotsiokan’ny olona. Antsasa-kadiny taty aorian’ny ora nifanomezana manko vao nidoboka ny afomanga voalohany, minitra maro taoriana vao tonga ny faharoa. Ilay nolazaina fa jiro laser indray dia izay nanodidina teo ihany no nahita. Tsy dia araka ny fampanantenana ny zava-nisy satria na ireo afomanga aza tsy tonga lavitra ny ankamaroany. Raha natotaly dia tsy nihoatra ny 45 minitra ilay afomanga nolazaina fa haharitra ora maro. Araka izany, dia tsy vitsy ireo nimenomenona fa diso fanantenana tanteraka. Hatramin’izay, hoy ireo sendra ny Tia Tanindrazana, tsy nisy fiatoana mihitsy ary nahataka-davitra ny afomanga no be karazana. Tamin’ity anefa sady tapatapaka, no tsy lasa lavitra, hoy i Hery. “Nihevitra aho fa dia ho rakotra jiro ny ranon’Anosy raha ny dokambarotra hitako”, hoy kosa Mialy izay nilaza ihany koa fa diso fanantenana. “Naleoko nody”, hoy izy fa ratsy lavitra noho ny hatramin’izay ny tamin’ity taona ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.