Diso fanantenana tamin’ny afomanga ny harivan’ny 25 jona ny mponin’Arivonimamo. Tsy araka ny dokambarotra sy ny fampanantenana velively mantsy ny zava-nitranga fa tena hafa mihitsy.
Hoy indrindra ny renim-pianakaviana iray tany an-toerana : «Tena nanantena zavatra tsara sy miavaka tokoa tahaka ny nambaran’ireo manampahefana izahay. Rehefa nigadona anefa ny ora nifanomezana dia nitsefotra in-dimy ary tsy tafakatra ambony akory ny afomanga. Nieritreritra izahay hoe mety andrana kosa angamba iny kanefa dia tsy nisy intsony taorian’izay ary nambara fa vita ny afomanga anjaran’Arivonimamo». Araka ny vaovao voaray avy any an-toerana ary dia tena diso fanantenana no sady sosotra ny ankamaroan’ny olona, indrindra moa fa ireo ankizy izay mankafy tokoa ny afomanga. Tsy hita mantsy raha tsy isaky ny fetim-pirenena sy ny taom-baovao izy ireny. Araka ny nambaran’ny mponina tany Moramanga, tsy nifanalavitra tamin’ity nitranga tany Arivonimamo ity koa ny zava-nisy tany an-toerana, satria tsy araka ny niheverana azy fa nandalo dia niserana ny afomanga ary tsy nahafa-po ireo olona tonga maro be tao Moramanga. Nisy mihitsy ny avy any ambanivohitra. Santionany fotsiny ireo fa araka ny tsiliantsofina re, maro ny tsy fahatomombanana teo amin’ity resaka afomanga ity tany amin’ny faritra maro manerana ny Nosy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.