Actualités

Anjiajia - Ambato Boeny Niafara tamin’ny tora-bato ny fety


  • Alatsinainy 28 Jona 2010


Nisy ny naratra vokatry ny tora-bato, tao ny tapa-tongotra tao anaty fifanjevoana. Io no vokatry ny lalao baolina kitra tafiditra amin’ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena tao amin’ny kaominina ambanivohitra Anjiajia, distrikan’Ambato Boeny, faritra Boeny. Ny alakamisy 24 jona no nitrangan’ny fifandonana. Ny ekipa avy amin’ny fokontany Antanandava sy ny Silamo Sport no nifandona tamin’io. Tsy tafakatra ny ekipa, nandrandrain’ny tao an-tampon-tanàna ary notohanana mafy fa hahazo ny amboara, ka teo no niandohan’ny savorovoro. Rava hatramin’ny baolina tokony ho natao, noho ny tora-bato. Tsy tanteraka ny famaranana ary dia tsy hita nanjavonana hatramin’ny amboara, hatramin’ny omaly nahazoana ny vaovao.

Hafakely koa ny zava-nitranga ny andron’ny 26 jona tao amin’ity kaominina ity. Amin’ny 9 ora no voalaza fa hanombohan’ny fotoana. Nifamotoana tao amin’ny Ceg avokoa ny mpianatra tao an-tanàna fa ao no hiangan’ny filaharana. Asa anefa na nisy tsy fifankahazoana teo amin’ny toromarika na ahoana, fa efa vita ny kabary vao nandalo nilahatra ny toerana nanaovana ny lanonana ny mpianatra izay nahagaga ny maro tokoa.
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT