Tsy nahasakana ny mponin’i Toamasina hanamarika araka izay azony atao ny fahatsiarovana ny faha-50 taona nahazoana ny fahaleovantena ny orana izay somary nahazo vahana ihany ho an’iny tapany Atsinanana iny nandritra ny andron’ny fankalazana ny fetim-pirenena ny andron’ny 26 jona mihitsy.
Nandray anjara tamin’ny matso, izay naharitra ora telo teo, natao teo amin’ny araben’ny fahaleovantenan’i Toamasina daholo na ny tafika, na ireo mpianatra na ny fikambanam-behivavy ireo olona tra-pahasembanana ary ireo mpanao fanatanjahantena aman’orinasa lehibe ao an-tampon-tanàna. Fa tsy diso anjara koa ny antoko sy fikambanana politika nahitana ny Tgv, ny Mts ny Mdm ny Fimami ary ny Ampela manao politika. Tsikaritra ho maro an’isa kosa ny vehivavy mandray anjara tamin’ny matso nataon’ny sivily tamin’ny sokajy rehetra, ary saiky nanjaka tanteraka tamin’ny fanamian’izy ireo ny lokon’ny sainam-pirenena nisy mihitsy aza ny andriambavilanitra nisafidy ny hianjaika amin’ny akanjo miloko fotsy mena maitso. Raha nanontaniana moa dia nambarany fa dia fanaporofoany ny fitiavan-tanindrazana sy ny hafaliany noho izao asaramanitra izao no mahatonga izany. Ho an’ny “Trois Mouvances” kosa na nikasa ny hilahatra aza tsy nahazo nanao izany fa voarara mialoha ny fandraisany anjara fa nokilasiana ho mpanakorontana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.