Actualités

Morondava Nibata «baffles» hatramin’ny Ministra Fienena


  • Alatsinainy 28 Jona 2010

Ny faniriana sy ny tanjon’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita dia hanao izay hamparesaka sy hampanakoako ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny fahaleovantenam-pirenena.

Lavitr’izay anefa ny zava-nitranga, tsy teto an-drenivohitra ihany fa hatrany amin’ny faritra ihany koa. Tao Morondava renivohitry ny faritra Menabe, ohatra, dia nisavoritaka ara-bakiteny tsy nandeha amin’izay laoniny ny fandrindrana ankapobeny sy ny fandaminana ny fankalazana. Tsy nisy « podium » vanona ny 24 jona raha efa voalaza tany am-piandohana fa hatao tao amin’ny Esso maty, aty ampiavian’ny tanàna. Voatery noravana ny lapihazo ny tolakandron’ny zoma 25 jona mbola an-dalam-pametrahana tao amin’ny kianja monisipaly. Entin’ny fikoropahana, noho ny fihazakazaky ny fotoana, tsy te ho afa-baraka dia rafitra nibata «baffles» hatramin’ny Minisitry ny toekarena, Fienena Richard. Izy no iraky ny FAT tany Menabe. Zanaky ny Faritra rahateo ny tenany, zanak’i Manja no marimarina kokoa. Tsy vitan’izay fa dia nikarenjy eran’ny tanàna samy nanao izay nahametimety azy ny kilonga madinika tamin’ny arendrina noho ny tsy fisian’ny fandaminana matotra ny zoma 25 jona. Ny Fampisehoana nataon’ireo mpanakanto zanaky ny Faritra mila ravinahitra eto an-drenivohitra, toa an-dry Bivy, Génération Mars sy ry Koike tao amin’ny kianja monisipaly no mba nanarontsaronana ny tsy fahatomombanana. “Na ny ministra aza kivy”, hoy ny mpanao gazety any an-toerana, izay mbola nanampy fa “mifanilika andraikitra ny ao amin’ny Faritra”. Tsy mazava ihany koa ny vola nenti-nanana ny fankalazana.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT