Niavaka : Niavaka ny fankalazana ny fetim-pirenena hoan’ireo mpandala sy mpitaky ny ara-dalana tao Antsirabe. Tao amin’ny Magro ihany no nifamotoanan’ izy ireo ny zoma 25 jona hariva avy eo nivoaka ny kianja nitondra arendrina niaraka taminireo kilonga madinika sady nitondra ny sarin’ny filoha Ravalomanana. Ny andron’ny 26 jona kosa dia nisy kosa ny fizarana nofo-kena mitam-pihavanana sy fotsim-bary ho an’ny isam-pianakaviana tamin’io andro io. Ny somary nanaitra ihany koa dia ny fielezan’ny tsaho izay hita fa niniana naely fa hoavy handrava ny hetsika teny amin’ny kianjan’ny fahaleovantena ny légalista ka somary niandriandry ihany ireo mpitandro filaminana ny mety ho fahamarinany nefa tsy nisy akory izany fa nilamina ny tanàna.
Nifanitsa-kitro : Nifanitsa-kitro ireo vahoaka tonga nijery afomanga teny Andohalo ny alin’ny 25 sy ny 26 jona lasa teo. Ankizy madinika maromaro vokatr’izany no voatosika sy voahitsaka ka nitondra takaitra sy ratra tsy fidiny.
Sarintsariny : fahaleovantena sarintsariny no azon’i madagasikara tao anatin’izya 50 taona izay. Porofon’izany, hoy ny Antoko Otrikafo ny fahantrana mianjady amin’ny firenena. Raha hanangana fanjakana vaovao àry manomboka eto, dia heverin’ny Otrikafo fa tokony hanaja sy hanatanteraka izay hetahetam-bahoaka ny fanjakana hijoro eo.
CENI : Hatsangana any amin’ny volana jolay any ny vaomiera misahana ny fifidianana isaky ny faritra, ny distrika ary ny kominina. Izany dia ao anatin’ny fanomanan’ny FAT ny fifidianana. Tokony ho nanomboka omaly ny fampielezan-kevitra momba ny fitsampan-kevi-bahoaka momba ny lalampanorenana kasaina hatao amin’ny 12 aogositra 2010. Tsy tanteraka izany.
Fiaraha-miasa : Nihaonana tamin’ireo tompon’andraikitra misahana ny haino aman-jery ao an-drenivohitr’i Boeny omaly ny iraka avy amin’ny ministeran’ny serasera. Nibahan-toerana nandritra ny fihaonan’ny roa tonta ny fandinihina ny rafitra misy sy ny fomba fiasa hahafahana manatsara sy manavao ny fiaraha-miasa.
Tsy misy mpitsabo : Nahazo tobim-pitsaboana iray vaovao ny any amin’ny kaominina Ankarany, distrikan’Antsohihy. Ny faran’ny herinandro teo no notokanana tamim-pomba ofisialy ny fotodrafitrasa saingy ny indro kely dia ny tsy fahampian’ny mpitsabo. Mahatratra dimy ankehitriny ny tobim-pitsaboana any amin’ity kaominina ity saingy tsy misy mpitsabo ny ankamaroany. Very fanahy mbola velona ihany ny fokonolona noho izany.
Maizina : Nifety tao anatin’ny haizina ny mponina tany Soalala ny andron’ny 25 sy ny 26 jona lasa teo noho ny fisian’ny delestazy. Foana vokatr’izany ny alim-pandihizana sy ny fifaninanana nihira saika handraisan’ny tanora anjara ka tsy nahafaly ny maro.
Fifaninanana ratsy tarehy : Toy ny niseho tany Fenoarivo Atsinanana dia nifantina izay lehilahy ratsy tarehy indrindra tao aminy ihany koa ny mponina tao Sainte-Marie ny 26 jona lasa teo, hetsika nentina nanamarihana ny faha-50 taona niverenan’ny fahaleovantena. Loka goavana toy ny lelavola sy fandehanana mitsangantsangana any ivelan’i Madagasikara ihany koa no loka natolotra ilay nahazo ny laharana voalohany, araka ny vaovao voaray.
Fahoriana : Tsy nianatra ny mpianatra eo anivon’ny sekoly katolika Saint-Therese Ilanivato omaly alatsinainy. Noho ny fahafatesan’ny masera tompon’andraikitra iray eo anivon’ity sekoly ity no anton’izany.
Hafakely : Tamin’ny fomba miavaka no nentin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena sy ny ministeran’ny fitaterana nanamarihana ny fetin’ny 26 jona tamin’ity taona 2010 ity. Ankizy miisa 141 manerana ny Nosy, taona fahatelo eny anivon’ny sekoly ambaratonga fototra ka hatramin’ny taona 11 no nentina nisidina nanerana ny habakaban’Antananarivo, niarahana tamin’ireo kaompaniam-pitaterana miisa 11. Ny kaompania mpaninjara solika Shell sy Jovenna no niantoka ny solika.
Fikambanana MDM : Hetsika ara-panatanjahantena nanohana ny fikambanan’ny tanora Fitia eny Ivato kosa no nentin’ny vovonana MDM tarihin’i Pierrot Rajaonarivelo ny fetin’ny 26 jona ny faran’ny herinandro teo. Ny taranja baolina kitra sy baskety no nifaninana ka tanora 110 isa no nandray anjara. Ondry roa matavy no natolotry ny filohan’ny MDM ireo ekipa nitana ny laharana voalohany tamin’ireo taranja roa ireo.
26 jona : Tsy nisy tamin’ity taona 2010 ny fanamarihana ny fetin’ny 26 jona ho an’ny fironana Zafy Albert. Toy ny isan-taona anefa dia misy hatrany rehefa fetin’ny Asaramanitra tahaka izao tontosaina etsy amin’ny Villa Elisabeth Ivandry. Fivoriana sy fikaonan-doha no nentin’ny mpikambana nanamarihana izany tamin’ity taona ity izay tsy lavitra fa tao amin’ny Villa La Francise etsy Ivandry fonenan’ny Pr Zafy ihany.
Nalahelo : Nalahelo ireo mponina tany Faradofay nandritra ny fankalazana ny fetin’ny 26 jona lasa teo. Noho ny fahitan’izy ireo tamin’ny alalan’ny vata fahitalavitra ireo mpanakanto malaza marobe nanotrona ny lanonana teto an-drenivohitra no anton’izany izay tsy nitovy tamin’ny hafanan’ny lanonana niseho tany an-toerana.
Tsy fanjarian-tsakafo : Nihena hatrany amin’ny 18 % raha 80 % folo taona lasa izay ny tsy fahampian-danja vokatry ny tsy fahampian-tsakafo nianjady tamin’ireo zaza latsaky ny dimy taona eto amin’ny Faritra Analamanga. Toby Seecaline miisa 318 no nanaovana ny ezaka sy ny fanentanana niarahana tamin’ny ONN. Narahin’ny fampianarana ny mponina hamadika ny vokatry ny tany ho lasa sakafo be otrikaina izany ho fanohanana ny zaza.
Tambin-karama : Sefo fokontany sy ny lefiny am-polony no nandray ny tambin-karamany tsy voaloa nandritra ny efa-bolana ny 24 jona lasa teo tany amin’ny distrikan’i Marovoay. Na izany aza mbola misy ambiny roa volana tsy voaloa izay hanaovan’iretsy voalohany antso avo amin’ny fitondrana Fat.
Iray volan’ny ankizy : Tany Nosy Be no nanamarihana tamim-pomba ofisialy ny iray volan’ny ankizy ho antsika eto Madagasikara ny faran’ny herinandro. Nisy ny hetsika izay notontosaina tany an-toerana toy ny fizarana kilalao ho an’ny ankizy 1.000 mahery niarahana tamin’ny ministry ny mponina Nadine Ramaroson. Nisy ihany koa ny hetsika notontosaina tany Ankarefo Ankazobe, toerana misy ireo fianakaviana sahirana ara-pivelomana vonona ny hioitra amin’ny fiainana.
Fety : Tsy diso anjara tamin’ny fanamarihana ny fetin’ny 26 jona ireo gasy monina sy miasa any Alemaina ny faran’ny herinandro teo. Niarahana tamin’ny tompon’andraikitra voalohany mitantana ny masoivoho malagasy any an-toerana ny fankalazana izay nosantarina tamin’ny alalan’ny fotoam-pivavahana. Tontosa tamim-pilaminana ny fety tamin’ny ankapobeny
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.