• Zoma 25 Jona 2010
Actualités.RN2 Nahafaty olona indray

Nisy loza mahatsiravina nahafatesana olona telo indray nitranga tamin’iny lalam-pirenena faharoa iny. Fiara vaventy roa no nifandona teo amin’ny toerana atao hoe Manadala, Fokontany Tsiazompody, Kaominina Ampasipotsy Gara, PK 120 + 500 na valo kilaometatra sy sasany miala an’i Moramanga raha ho any Toamasina.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 25 Jona 2010
Actualités.Asa any Liban Niampy iray indray ny namoy ny ainy

Tsy mety misy farany ny tantara ratsin’ny mpiasa Malagasy any Liban. Renim-pianakaviana iray antsoina hoe Razanatsilofo Nivo Harisoa, 23 taona no namoy ny ainy, roa volana latsaka herindrano katroka, noho ny fahatapahan’ny lalandra lehibe tao amin’ny lohany araka ny fanazavan’ny hopitaly nandray an-tanana azy tany an-toerana.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 25 Jona 2010
Actualités.Lanonana mandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena Ahoana ny hevirty ny olona ?

Samy manana ny fahitany ity fetim-pirenena sy fankalazana ny faha-50 taonan’ny niverenan’ny fahaleovantena ity ny tsirairay avy, fa tamin’ny ankapobeny, araka ny resaka nifanaovana tamin olona vitsivitsy dia mbola manamaloka izany ny krizy sy ny tsy fahitana ny vahaolana. Hiezaka ny hifety araka izay tratra ihany anefa ny olona mba hanadinoana kely ny rotorotom-piainana isan’andro. Araho ary ny hevitr’olona vitsivitsy.

Hamaky ny tohiny
FTT