Henatra : «Henatra ho an’ireo solombavambahoaka satria voahoso-potaka ny anarana iombonana noho ny fihetsiky ny namana sasany», hoy ny depioten’i Fandriana, Andriambelosoa Barijaona tamin’ireo mpanara-dia amin’ny Ankolafy Telo tetsy Behoririka, omaly. Izy ihany anefa no nanazava fa “tsy mahataitra loatra ireo olona lasa any, satria efa nazavazava ihany”. Na izany aza, hoy izy “tsy seza na vola no hamadihanay ny tanindrazanay”.
Tsy mitovy : Sasanangy samy hafa ny zava-nitranga ny taona 2002 sy 2009, hoy ny depiote Rakotomanjato Rodin, tsy araka izay voizin’ireo haino aman-jery sasany ankehitriny. Ny tamin’ny taona 2002 dia fampitaham-bato no natao, ary ny taona 2009 kosa dia fanonganam-panjakana no niseho teto amintsika.
Fahasalamana : Miatrika fiofanana mandritra ny hefarana ao an-drenivohitr’i Mananjary ireo mpanentana sy mpamokatra fandaharana eo anivon’ireo haino aman-jery miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana any an-toerana. Nanomboka omaly ny fiofanana izay miompana amin’ny fanomanana ny herinandro ho an’ny fahasalaman’ny Reny sy ny zaza. Tafakatra am-polony ny mpizaika.
Ifampitadiavana : Ifampitadiavana ny rano fisotro madio ao an-tampon-tanànan’i Faratsiho. Hatramin’ny nampafana be ny andro ka naharitra ireo vovo sy karazana loharano no nahatonga izany. Anisan’ny tena lasibatra ireo monina amin’ny faritra avo.
Hitabataba : Milaza ny hitabataba hampiaka-peo ho ren’ny rehetra ireo olona niharam-boina tamin’ny 07 Febroary 2009 mivondrona ao amin’ny fikambanana AV7 raha toa ka tsy mahazo ny anjara toerany ho mpikambana ao anatin’ny filankevitra ambonin’ny tetezamita sy ny Kongresin’ny tetezamita, manomboka anio alarobia. Anisan’ny angady nananana sy vy nahitana izao fitondrana FAT izao mantsy izy ireo araka ny fanazavan-dRatsimbazafy Jean Paul, filoha lefitry ny fikambanana saingy nodian’ny FAT tsy hita rehefa azony izay nilainy.
Hain-trano : Nitrangana hain-trano, nahamaizana trano telo tao Mangarivotra Avaratra, parcelle 112, distrikan’i Toamasina I ny alatsinainy tolakandro. Tsy fantatra mazava izay niavian’ny afo araka ny vaovao voaray. Na izany aza tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra mafy.
Fifidianana : Namory ireo sefo fokontany miisa 26 ao Mahajanga I ny Faritra Boeny ny alahady 10 oktobra teo. Fantatra fa noterena hametaka afisin’ny “ENY” dimy isanisany ireo sefo fokontany raha tsy izay tsy hahazo ny tambin-karamany, izay zavatra tsy tokony hatao, noho ireo sefo Fokontany ireo isan’ny rantsana miantoka ny mampadio sy mampangarahara ny fifidianana.
Mizotra : Mizotra araka ny tokony ho izy ny asa fampiakarana ireo olona 33 lahy tafahitsoka any amin’ny 700 metatra ambanin’ny tany any Chili araka ny fantatra. Omaly hariva raha tsy nisy ny sampona no nanomboka nampiakatra azy ireo ny tomponandraikitra izay marihina fa miaraka amin’ny fitaovana manara-penitra tokoa.
Velon-taraina : Velon-taraina avokoa ireo sekoly tsy miankina eny amin’iny Faritra Itaosy iny noho ny fialan’ireo mpianatra nisoratra anarana ho anisan’ny mpianatra ao amin’ny taona faha-6. Nivoaka ny zoma lasa teo mantsy ny lisitra faharoa nirakitra ny anaran’ireo ankizy afaka 6 eme indray ka tsy vitsy ireo ray aman-dreny no nihazakazaka namindra ny zanany eny amin’ny CEG.
Mitombo : Mitombo isa hatrany araka ny fantatra ireo vehivavy mpampanofa tena eto an-drenivohitra. Olona tsy manambady na efa nisara-bady ny ankamaroan’izy ireo ankoatra ireo very asa izay zary lasa nanaotao foana. Ny eny Tsaralalana sy Andravoahangy no tena ahitana taratra izany.
Olona 18 : Olona 18 isa no indray namoy ny ainy tany Pologne omaly talata. Vokatry ny fifandonan’ny fiara vaventy iray mpitatitra vokatra sy fiara lehibe iray tsotra no nahatonga ny loza. Avy any ankavanana nangalatra ankavia ity fiara mpitatitra vokatra ity araka ny vaovao raha nandeha tsotra toy ny mahazatra kosa ilay iray.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.