Actualités

Tsiroanomandidy Mpikamban’ny HAT mamo nampihorohoro


  • Talata 12 Oktobra 2010

Notadiaviny tao an-tranony ary nampiasany herisetra mihitsy aza ny tao amin’ny biraon’ny ONG iray mba hanaovany hazalambo ny pretra iray izay nolazainy fa mandrisika ny olona hifidy ny Tsia.

Mamo izy dia niditra an-keriny tao amin’io toerana io ary nanimba zavatra ihany koa. Nitsoaka hatramin’ny mpiambina ilay toerana noho ny tahotra. Efa malaza ratsy rahateo ny fanapoahany basy tsy amin’antony ao an-tanàna. Notapahany ny takelaby ary nodakadakany ny varavarana. Nalainy ihany koa ny lakilen’ny kamiao iray izay sendra nigadona teo an-toerana tamin’io fotoana io mba hanatitra entana. Raha araka ny vaovao azo avy any an-toerana dia ilay pretra tomponandraikitr’io fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana io no tena saika noloarany tao. Tsy tao anefa izy tamin’io fotoana io, hany ka ny olona izay taraiky tao sy ny fananany no nanamparany. Tsy nisy sahy nivoaka na ireo mpanentana fandaharana tao amin’ny radio na koa ireo mpiambina ny toerana.

 Nampandrenesina an-telefaonina ny mpitandro ny filaminana ary tonga teo ihany na dia efa lasa aza ireo mpampihorohoro. Ny marain’ny sabotsy teo dia nirahiny ny olony mba hanatitra ny lakilen’ilay kamiao ary koa hitondra ny fialan-tsiny. “Mamo be mantsy izy tamin’io fotoana io, hany ka tsy nahavita nifehy ny tenany intsony”, raha araka ilay hafatra. Mihorohoro ny tanàna noho ny afitsok’ity mpikamban’ny HAT ity. Tsy misy sahy mitaraina eny amin’ny mpitandro filaminana anefa satria iretsy voalohany koa dia efa malaza ratsy fa mpiaro azy amin’izay ataony. Porofon’izany, hoy ireo olona, ny fivezivezeny eran’ny tanàna miaraka amin’ny basy ary manao izay tiany hatao ary mpitandro ny filaminana manao fanamiana sy mitam-basy ny miambina azy. Izao koa dia fantatra fa mbola lasa mpikamban’ny filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) indray izy ity. Tsy mainka koa ve hanampatra ny habibiany ? Kivy ny vahoaka....
 
r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT