Actualités

Tolagnaro Hidina an-dalambe ireo mpampianatra FRAM


  • Talata 12 Oktobra 2010

Nampanantenaina izy ireo fa dia efa tonga eny amin’ny DREN ary efa vonona any amin’ny banky ny tambinkarama.

Nanamafy io filazana io tamin’ny haino amanjerim-panjakana ny Talen’ny kabinetran’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena, Ramarokoto Julien, ny herinandro lasa izay. Henon’ny mpampianatra FRAM any Anosy tokoa ny fanambarana ary mihevitra izy ireo fa tenin’olon-dehibe izany. Akory anefa ny hahagan’izy ireo raha tonga tao Tolagnaro renivohitry ny Faritra omaly fa tsy misy vola vonona ho azy ireo izany any an-toerana. Ireo mpampianatra FRAM avy ao Amboasary Atsimo sy Tolagnaro no nifamory nanoloana izany. Nisy 50 teo izy ireo raha ny omaly fotsiny. Niala nenina nanamarim-baovao tany amin’ny DREN sy ny banky BFV ao an-toerana izy ireo ny tontolo andro saingy tsy misy ny vola. Nanapa-kevitra ary izy ireo fa dia hidina an-dalambe amin’ity anio ity, haneho ny tsy fahafaliana amin’ity famitapitahana lava azy.

Tambinkarama roa volana ity tsy mbola voaray ity araka ny fantatra. Mifanontona amin’ny antso nataon’ny fiaraha-mientan’ny mpiasam-panjakana ity hetsiky ny mpampianatra FRAM any Tolagnaro anio ity. Nanao antso tamin’ny haino aman-jery tsy miankina any an-toerana izy ireo omaly tolakandro, niantso ireo namany any ambanivolo ho avy ao Tolagnaro hanatevin-daharana io hetsika anio io. Mazava fa dia hisy fiantraikany amin’ny fampianarana eny amin’ireo sekolim-panjakana izay vao misantatra ny fampianarana izany. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT