Actualités

Propagandy Mbola ny hevitry ny mpifidy leo krizy no mandresy


  • Talata 12 Oktobra 2010

Efa herinandro mahery izao no nanombohan’ny fampielezan-kevitra mikasika ity hoe fitsapan-kevi-bahoaka karakarain’ny FAT eto Madagasikara ity, nefa mbola mangina sy tsy rototra akory ny vahoaka.

Betsaka amin’ireo nanontaniana aza no tsy mahalala, ny mandre indray manafangaro ny fifidianana ho avy. Raha ny ao Toamasina, ohatra, dia na soratra iray fanentanana aza tsy hita miranty amin’ireo takelaka 12 hany napetraky ny kaominina. Ny KME na ny komity manohana ny “ENY” izay nahatsangana birao ny faran’ny herinandro teo, no somebika nanomboka ny zoma sy ny sabotsy teo, ka nanao fampisehoana tsy nandoavam-bola sy “bal populaire” teny amoron-dranomasina mihitsy. Ao Mahavelona Foulpointe indray dia ny sabotsy 08 oktobra, andro nandalovan’ny ministry fanapariaham-pahefana tao an-toerana, vao napetraka ny takelaka hanaovana ny fampielezan-kevitra niisa 06. Vokatra io fahanginan’ny tanàna io, dia nanao bemidina tao Toamasina ny KME nasionaly, ka hitety ireo distrikan’ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo hanentana sy hampahalala izany lalàmpanorenana izany. Ho an’ny KMT na ny komity manohana ny “TSIA” kosa dia mbola tsy hita aloha izy ireo hatramin’izao. Efa misy birao mitsangana izay heno etsy sy eroa fa ny fahamarinany tsy mbola fantatra mazava. Ny hany fantatra dia ny “KTM” na ny “komitin’ny tsy mifidy na tsy hampifidy” no misongadina manentana olona isan-tokatrano na atao hoe : tsy ofisialy ny fisiany, fa samy miezaka ny avy ao amin’ny Ankolafy Telo sy ny olom-pirenena mahatsapa ny tsy fetezan’ity lalàmpanorenana ity manao izany fampahafantarana ny loza mitatao amin’izao zava-misy fanaovana amboletra ny fifidianana tsy fanta-pototra izao. Fa ny mahavariana dia misy amin’ireo KME ireo no mpikarama an’ady amin’ny vola fotsiny, ka na mizara ilay boky kely misy ny lalàmpanorenana sy mitondra “T-Shirt” misy ny soratra aza izy ireo, dia fanentanana ny olona “tsy hifidy” sy hanao ny “tsia” no ataon’izy ireo mangina. Hita izany nanomboka ny alahady teo sy ny resaka nifanaovana amin’ireo mpikambana eo anivon’ny KME Toamasina.

Ankoatra izay, dia mbola manana 30 andro eo ny komity samy hafa hanentanana ny mpifidy sy mampahafantatra ny mahatsara sy ny maharatsy io lalàmpanorenana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka hatao ity. Fa hatramin’izao aloha, mbola ny hevitry ny mpifidy tsy rototra sy tsy te-hahalala ary leo ny krizy nanimba ny fiainany no mandresy.
 
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT