Actualités

Tsiafahy Ampanofaina iray hetsy ariary ny basy


  • Alarobia 13 Oktobra 2010


Ahofa ny basy rehefa tsy ampiasain’izy ireo. Iray hetsy ariary ny hofan’izany miaraka amin’ny bala maromaro mandritry ny alina iray. Sarona ihany ireto jiolahy izay fantatra fa tompon’andraikitra tamin’ny fanafihana tany Behenjy, Antsirabe, Ambatolampy, Ambatofahavalo, Soavina-Atsimondrano, Alasora ary Ambohimanarina. Mbola voalaza ihany koa fa izy ireo no saika hanafika ny Jeneraly Rasolomahandry, Cemgam teo aloha, tetsy Alasora. Ny borigadin’ny zandarimaria ao Andoharanofotsy no nahasarona ireto jiolahy ireto. Miisa valo izy ireo ary mbola nahatrarana basy PA miisa roa marika Prowing sy PATT nandritra ny fisafoana izay nataony tao Ambohimanasoa-Ambohimihaja, kaominina Tsiafahy. Ny roa amin’ireo dia mpamatsy bala sy basy izay hofaina iray hetsy ariary, araka ny fantatra nandritra ny fanadihadiana. Ny iray hafa mpanao faktiora sandoka hanadiovana ny entana halatra. Ny efatra ambiny no tena mpanafika. Tsy tapitra teo fa mbola misy ny fikarohana ireo jiolahy hafa ambiny miriaria ary miray tendro amin’izy ireto. 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT