Actualités

E-bit 2010 Nilaozan’ny mpandray anjara


  • Alarobia 13 Oktobra 2010

Nisokatra ny alatsinainy hariva teo ny e-bit 2010 izay hetsika manome lanja manokana ho an’ny teknôlôjia avo lenta. «Hub» no anarana nampisalorana ity andiany ity izay anomezan-danja bebe kokoa ny fahaizamanao mampiasa ny «fibre optique».

Raha ny tenin’i Alain Razafindrabe, Talen’ny Synergy Communication nandritra ny lanonam-panokafana dia «ny fanapariahana ireo karazana teknôlôjia vaovao sy ny fanamorana ny fahazoan’ireo mpanjifa azy ireny no fanamby tian-kotratrarina amin’ny hetsika». Misy moa ny fanehoana mivantana amin’ny alalan’ny «écran géant» ny haitao hiaka farany. Raha ny fandaharam-potoana indray dia natokana ho an’ny mpandraharaha ny talata sy alarobia, ny «Ebit show» ny alakamisy raha anjaran’ny mpianatra kosa ny zoma ary ho an’ny daholobe ny roa andro farany. Nanamarika ity E-bit 2010 ity ny havitsian’ireo orinasa mpandray anjara mahazatra. Tsy manana tranoheva eny an-toerana, ohatra, ny orinasa zain, ny telma, ny moov, ny blueline ary ny concept izay azo lazaina fa orinasa lehibe amin’ny sehatra misy azy avy. Zara raha misy koa anefa ireo orinasa vahiny. Anisan’ny mitondra zava-baovao, ohatra, ny Beyal Group avy atsy Mayotte izay vao nanangana masoivoho eto amintsika ary manantena hameno ny tsena. Mivarotra fitaovana mandamina ny filaharana rehefa mamonjy birao ka ialana amin’ny fisisihana ity orinasa ity. Raha ny zava-nisy omaly ihany koa dia vitsy dia vitsy ireo mpandraharaha nitsidika ireo tranoheva. Ho hita eo indray ireo andro manaraka.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT