• Zoma 16 Jolay 2010
Actualités.RN7 Hotapahina adiny telo isak’alina

Manomboka amin’ny misasakalina ary tsy hifarana raha tsy amin’ny telo ora maraina ny barazy izay hapetraka amin’ny lalam-pirenena fahafito. Noraisin’ny mpitandro ny filaminana izany fepetra izany manoloana ny fanafihana nisesisesy izay nitranga tamin’ny RN7.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 16 Jolay 2010
Actualités.Soamanandrariny-Ady tany Ho lasa adin’ny ministeran’ny mponina sy ny Fitsarana

Mihahenjana isan’andro ny tady eo amin’ny Fiangonana Advantista sy ireo andian’olona efa namaritra tany tetsy Soamanandrariny. Raha ny fantatra sy hita maso mantsy dia manohy hatrany ny fanorenana trano ireo olona.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 16 Jolay 2010
Actualités.FIS Tsy mbola ato ho ato ny fandravana azy ?

Tsy mbola nisy aloha hatramin’izao ny fanapahan-kevitra noraisin’ny FAT momba ny FIS (Force d’Intervention Spéciale) na dia teo aza ny fanakianana azy mivantana sy ny fangatahana ny hanafoanana azy, nataon’ny ambasadaoro frantsay, Jean Marc Châtaigner nandritra ny kabariny ny alarobia 14 jolay teo.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 16 Jolay 2010
Actualités.TAPATAPANY

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 15 Jolay 2010
Actualités.14 jolay Niteraka resa-be

«Tsingerin-taonanay ny 50 taona nahazoana ny fahaleovantena fa tsy an’i Frantsa», hoy ny masoivoho ivoarianina any Paris, ingahy Kipré, tao anatin’ny gazety boky Jeune Afrique, izay nanazavany ny antony tsy nanatrehan’ny filohan’i Cote d’Ivoire, Laurent Gbagbo izany lanonana izany.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 15 Jolay 2010
Actualités.Orinasa Tiko Vaky trano tao Sambaina, barofo tao Vohidiala

Resaka «bois de rose» no nisarihan’ny FAT hifantohan’ny sain’ny Malagasy eran’ny Nosy. Nanaovany fandaharana manokana tao amin’ny haino amanjerim-panjakana mantsy izy io ny alin’ny talata 13 jolay ary natao tsara tatitra an-gazety ny alarobia 14 jolay, fa nahitana “bois de rose” tao amin’ny Tiko Sambaina rehefa natao ny fisavana. Tampoka ary nanaitra ny maro ny vaovao.

Hamaky ny tohiny
FTT