Actualités

Fetin’ny Maty Voatitra ny voninkazo, nanjavona ny moto, may ny trano!


  • Alarobia 03 Novambra 2010

Feno olona avokoa ireo toeram-pandevenana lehibe tao Toamasina, ny fasam-bahiny roa ao Anjoma, ny tao Manangareza ary ny marokarazana Ambalamanasa. Samy nanana ny fombany ny tsirairay nandritra izany, fa ny nitoviana dia ny fanadiovana ny fasan’ireo fianakaviana nodimandry sy ny fanateram-boninkazo ho fahatsiarovana ny maty. Ny hafaliana sy fety ho an’ny sasany anefa fanararaotana kosa ho an’ny hafa, ka nifangaro voraka tao anatin’ny fetin’ny maty, ny halatra ary ny hain-trano.

« Parking » sandoka

Fomba iray nentin’ireo mpangalatra nanararaotana ireo fianakaviana namangy sy nanadio fasana ary niatrika ny fetin’ny maty ny havany, ny fampiasana ny « parking » na fiantsonana moto sy bisikileta tsy izy. Tsy nahalala ireo fianakaviana sy ireo olona nandritra izany ireo mpisandoka koa nanana « jetons » ara-dalàna sy toa tena izy amin’ny fandraisana mpanjifa. Raha variana nanao ny fetin’ny matiny ireo mpametraka moto sy bisikileta ireo, dia nanararaotra nangalatra amin’izay ireo mpanao ny fiantsonana sandoka ireto ka moto scooter 7 niampy bisikileta 11 no very tao anatin’ny fotoana fohy monja. Ny nahavariana anefa raha nanontaniana ny polisy dia tsy nisy afa tsy olona 4 monja no nametraka fitoriana vokatra izao halatra nihatra tamin’izy ireo nandritra ny fetin’ny maty izao.

 
Trano 42 may
Tao anatin’ny 3 andro tsy niasan’ny mpiasa ny faran’ny herinandro teo, dia trano 42 no may kila tao Toamasina vokatry ny tandrametaka sy tsy fitandremana avokoa. Teo aloha ilay trano may tao Morarano izay vokatry ny afon-dabozia narehitra nefa tao an-trano tsy nisy olona akory, ka nianjera ary nahatonga ny famaizan’ity trano ka naha traboina fianakaviana am-polony tsy nisy noraisina afa tsy ny akanjo teny an-kodiny. Teo koa ny hain-trano goavana tao Anjoma Manangareza, izay nahamay ny tsenan’ireo mpivarotra sy mpivaro-kazo niisa 35 niampy tranon’olona tsotra niisa telo. Tsy nisy noraisina ihany koa ireo fianakaviana an-jatony fa may kila ny fananana rehetra hatramin’ny entam-barotra namidy. Araka ny vaovao nangonina dia vokatry ny fahamamoan’ity mpiasan’ny Madarail no nahatonga ny hain-trano tao Anjoma Manangareza ity. Ary farany ny hain-trano tao Ambolomadinika izay nahamay kila trano iray ary voatery nandravana trano iray hafa mba tsy hitaran’ny afo, ity tranga ity indray dia mpiasa nahandro variana no nahamay ny trano. Marihina fa trano vita amin’ny falafa na hazo na volotsangana sy ravim-pontsy, mampalaza ny faritra atsinanana avokoa ireto nirehetra tamin’ny faran’ny herinandro teo ireto. « Mila mitandrina ny rehetra amin’izao andro maina be sy be rivotra izao ; ny tsy fitandreman’ny hafa no mety hiteraka fahavoazana tsy fidiny ho an’ny manodidina azy ireo » araka ny tenin’ny lehiben’ny faritra Alain Mahavimbina sy ny SG kaominina Joël Gérard Patrick (Patou).
 
Rakoutou
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT