Vokatra ny siramamy : Nifarana omaly alarobia 03 Novambra tany amin’ny distrikan’Ambilobe ny taom-pamokarana siramamy taona 2010 notontosain’ny orinasa Ouest sucre, SIRAMA teo aloha. Nahafa-po ny vokatra azo araka ny vaovao voaray. Tafakatra 35.967 taonina izany tao anatin’ny efa-bolana monja raha tsy nisy afa tsy 22.000 taonina tamin’ny taon-dasa.
Fanafihana : Fanafihana in-13 nisesy namoizana ain’olona 76 be izao no nitranga tany Bagdad omaly alarobia. Ankoatra ireo dia olona manodidina ny 200 isa no lasibatra monina amin’ny faritra manodidina.
Fisavana : Nosavaina omaly alarobia ny bankin’Ingahy Alexandre Lebedev anisan’ireo mpanankarena indrindra ao Rosia. Polisy Rosiana iray no nanao ny asa araka ny vaovao voaray. Noho ny fidiram-bola mihoapampana izay voalaza fa tsy fanta-piaviana no antony nanaovana izao fisavana izao.
Mpifankatia namoy ny ainy tany Pologne : Mpifankatia mbola vao herotrerony tokoa no namoy ny ainy vokatry ny fianjeran’ny fiaramanidina kely iray tao Pologne afak’omaly alarobia maraina. Teny amoron-dranomasina no hita ny vatana mangatsiakan’izy ireo araka ny vaovao azo.
Fivoriambe : Nivory nanomboka omaly alarobia 03 Novambra ary tsy hifarana raha tsy afaka folo andro ireo mpanolotsaina monisipaly eo anivon’ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina. Anisan’ny hiompanan’ny dinika mandritra izany ny mikasika ny tanin’ny kaominina, indrindra ireo natao bail, ny fandinihina ny tetibola taona 2011…
Fandriampahalemana : Nifamory tao an-tampon-tanànan’i Toamasina ireo mpitandro ny filaminana mivondrona ao amin’ny OMC ( Organisation mixte de conception) any an-toerana omaly. Nifantoka tamin’ny fandinihina ny fandriampahalemana mialoha mandritra ary aorian’ny fitsapan-kevi-bahoaka ny resaka, natrehin’ny Lehiben’ny distrika.
Propagandy : Nandalo sy nitsidika tany amin’iny faritra atsimo atsinanan’ny Nosy iny ny Ministry ny atitany ny faran’ny herinandro teo. Foto-diany tany an-toerana ny nampahafantatra ny mponina ny fitsapan-kevi-bahoaka hotontosaina ny 20 Novambra ho avy io ankoatra ny fanentanana ireto farany mba handrotsaka ny vato ENY.
Hain-trano : Nisehoana hain-trano nahapotehana fananana mitentim-bidy an-tapitrisany tany amin’ny Fokontanin’i Faravato, kaominina sy distrikan’i Mananjary ny fiandohan’ny volana Novambra lasa teo. Vokany, trano 60 tafo no kila forehitra raha olona 200 kosa no tsy manan-kialofana. Tsy nisy tao an-trano ny tompon-trano tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza araka ny vaovao voaray. Na izany aza tsy nisy ny aina nafoy.
Feno 20 taona : Mankalaza ny faha-20 taona niorenany ny Conservation national any amin’ny Faritra DIANA. Fampahafantarana ny asa hataon’ity sampana iray ity sy ny antom-pisiany no nanokafana ny fankalazana omaly alarobia. Anisan’izany ny fametrahana ny kaominina ambanivohitra Ivongo ho anisan’ireo faritra arovana ao Ramena.
Mbola mitohy : Mbola mitohy ny fanamarihana ny herinandro ho an’ny fahasalaman’ny Reny sy ny zaza any amin’ny distrikan’i Maintirano, Faritra Melaky. Maromaro ihany mantsy ireo tanàna kely tsy mbola nahavita izany noho ny halaviran-dalana sy ireo antony hafa. Na izany aza ezahina hotratrarina ny tanjona tian-ko kinendry.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.