Tato anatin’ny herinandro izao dia nahitana fisondrotana tampoka ny entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro (PPN) teny amin’ireo épicerie maro isan-karazany amin’ny faritra maro eto an-drenivohitra.
Araka ny fanazavan’ny mpivarotra iray tafaresaka taminay dia miainga any am-potony mihitsy, izany hoe any amin’ireo mpambongady io sondrobidin’ny PPN io. Ny siramamy dia 2600 ar ny kilao amin’izao fotoana raha toa ka 2400 ar izany teo aloha, ny menaka amin’ny tavoahangy dia lasa 4500 ar ny litatra raha toa ka 4000 ar izany teo aloha ary ny menaka tsinjaraina (en vrac) kosa dia tafiakatra 3500 ar raha toa ka 3100 ar izany teo aloha. Ny vary moa dia mitovitovy amin’ireo ihany ny fiakarany. Eny Andravoahangy, Besarety, Ambohimanarina, Ambohibao, Andranonahoatra, Itaosy, aloha hatreto no tena ahitana io fisondrotana io, fa mety mbola misy izany ihany koa any amin’ny faritra hafa. Raha ny filazan’ireto mpivarotra amin’ny épicerie ireto ihany dia hatramin’ny nanombohan’ilay Tsena Mora karakarain’ny fitondrana tetezamita no tena nanomboka nampisondrotra ireo vidin’entana ireo.
Araka ny eritreritry ny mpivarotra iray dia tsy fifanandrifian-javatra fotsiny izany fa mety maka ny tombombarotra any amin’ny entana varotana amin’ny mpivarotra tsotra ireo mpamongady lehibe eto an-drenivohitra satria mivarotra mora ny entana amin’ny fanjakana mba hamatsiana ireo tsena mora. Raha tsorina ny resaka dia mameno ny banga ka mampitombo ny vidin’entana varotana amin’ireo épicerie izany ireo mpampongady mba tsy hamono antoka azy ny famatsiany entana ny tsena mora. Mety misy ihany koa anefa ireo mpanararaotra amin’ny vanim-potoana tahaka izao ka mampiakatra tsotra izao ny vidin’entana. Fa na eo aza izany rehetra izany dia tsy tena mamaha tanteraka ny fahasahiranan’ny vahoaka fa toa vao miha mamboly savorovoro ny tsena mora satria manavaka mazava ireo sokajy eo anivn’ny fiarahamonina ka mampitombo ny lonilony maharatsy fihavanana sady mapiroborobo ny fanararaotana isan-karazany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.