Actualités

SECES Mitaky ny fialan’i Tongavelo Athanase


  • Alarobia 03 Novambra 2010

Namoaka fanambarana omaly talata 2 novambra ny fikambanan’ireo mpampianatra mpikaroka manerana ny oniverstite 6 eto Madagasikara ary nilaza fa miato tanteraka ny fampianarana eny amin’ny oniveriste ary manohy ny fitokonana sy ny fitakiana izy ireo.

Takian’izy ireo amin’izany ny didy fampiharana ireo didim-panjakana telo efa neken’ny filankevitry ny ministra tamin’ny 6 oktobra 2009 mikasika ireo tombontsoa manokana ho an’ny mpampianatra mpikaroka dia ny didim-panjakana 2009/1214, 2009/1215 ary 2009/1216. Ankoatra izay dia mitaky ny fametraham-pialan’ny ministry ny fampianarana ambaratonga ambony, Atoa Tongavelo Athanase ihany koa ny SECES.  Ambaran’izy ireo moa fa tsy mahavita azy ary tsy manao afa tsy ny manendrikendrika sy manala baraka ny fianakaviamben’ny mpampianatra mpikaroka fotsiny ity ministra ity. Anisan’ny notakian’izy ireo ao anatin’ity fanambarana nivoaka omaly ity ihany koa ny hamoahana ny tetibola tokony hampiasain’ireo oniversite.

Manameloka tanteraka ny fananganana ilay filankevi-pirenena momba ny fanabeazana natsangan’ny ministera samirery ary tsy nakana akory ny hevitr’ireo voakasika rehetra amin’izany ny SECES. Toherin’ny fikambanan’ny mpampianatra mpikaroka ihany koa ny fampiharana maimaika ny sokajy L sy S amin’ny kilasy famaranana hiatrika ny fanadinanana baccalauréat amin’ny taona ho avy. Fehiny dia mikatso tanteraka izany ny Oniversite enina manerana ny nosy, ary tsy misy intsony izany aloha ny fanadinana. Milaza ny mbola ho vonona amin’ny fifampiresahana sy fifampiraharahana amin’ny fanjakana ihany anefa ny SECES.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT