Actualités

VAOVAO TAPATAPANY 03 NOVAMBRA


  • Alarobia 03 Novambra 2010


CNAPS : Hisokatra ny 05 Novambra ho avy io ny biraon’ny CNAPS vaovao any amin’ny distrikan’i Maroantsetra. Tafiditra ao anatin’ilay politika manatona vahoaka entina hanamaivanana ny fahasahiranan’ireo voakasika no hananganana izany araka ny vaovao voaray. Anisan’izany ny mpiasa sy ireo zokiolona mandray vola fisotroan-dronono any an-toerana. Hisahana ity distrika ity sy ny distrikan’i Mananara avaratra ity biraon’ny CNAPS vaovao ity. 

Mellisa Express : Niampy iray ny fitaterana an-dranomasina hiasa any amin’ny distrikan’i Maroantsetra. Nisokatra ny herinandro lasa teo ary efa nanomboka niasa ireo sambo haingam-pandeha antsoina hoe : Mellisa Express mahazaka olona 56 isa. Valo ora monja no hanaovan’ireto sambo hangaim-pandeha ireto ny ranomasina manelanelana an’i Maroantsetra sy Mananara avaratra ary Manatafana any amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo raha iray andro maninjitra izany ho an’ny sambo tsotra.
 
Jirofo : Hohatsaraina ny kalitaon’ny vokatra jirofo any amin’iny Faritra Analanjirofo iny. Hisy ny atrikasa hotontosaina any an-toerana manomboka anio alarobia 03 Novambra handraisan’ireo mpandraharaha sy tantsaha mpamokatra anjara. Araka ny vaovao voaray mantsy dia efa mihaantitra no sady tsy dia mahasarika firy intsony ny fambolena jirofo any amin’ity faritra ity. Efa mandeha ny fizarana zana-jirofo isam-baravarana amin’izao fotoana izao hanoloana ireo efa tena antitra.
 
Ambilobe : Nahazo birao fiasana vaovao ny fikambanan’ny kaominina any amin’ny distrikan’Ambilobe. Ny faran’ny herinandro teo no nanolorana tamim-pomba ofisialy ny fotodrafitrasa vokatry ny ezaky ny kaominina tsirairay. Mirefy 13 amin’ny 6 metatra ny fotodrafitrasa misy efitrano maromaro miaraka amin’ny trano fidiovana manara-penitra.
 
Hazo sarobidy : Saron’ny tomponandraikitry ny rano sy ny ala ary efa natolotra ny mpitandro ny filaminana ny 28 Oktobra lasa teo ihany ireo karazana hazo sarobidy miisa 8 nalaina an-tsokosoko tany amin’ny Faritra Ihorombe. Tany amin’ny kaominina ambanivohitra Befasy, Faritra Menabe izy ireo no sarona izay marihina fa tsy misy taratasy mazava. Anio no hiakatra fitsarana ny raharaha.
 
Vatomandry : Nisehoana hain-trano mahatsiravina tany amin’ny kaominina ambanivohitra Antanambao Mahatsara, distrikan’i Vatomandry ny 29 Oktobra lasa teo. Niainga avy tamina tokantrano iray nisy gony feno saribao vao nalaina ny afo. Vokany, trano 12 isa no kila forehitra raha fito kosa no voatery noravana. Ankoatra izay dia olona 70 isa ihany koa no tsy manan-kialofana.
 
Fandriampahalemana : Ho hentitra ny fitandroana ny fandriampahalemana any amin’ny distrikan’i Mananara avaratra. Hisy manomboka izao ny fisavana ny bokim-bahiny ho an’ny isan-tokantrano hahafahana mijery sy manara-maso akaiky ireo mpanao ratsy. Hiarahana miasa amin’ny mpitandro ny filaminana izay hotontosain’ireo kaominina 17 isa tsy an-kanavaka.
 
Fitsidihina fasana : Manomboka mahazo vahana any amin’ny distrikan’i Farafangana araka ny vaovao voaray ny fanateram-boninkazo sy ny fitsidihana fasana isaky fiandohan’ny volana Novambra, fotoana hanamarihana ny fetin’ny maty. Nilaharana ny fividianam-boninkazo tany an-toerana araka ny vaovao azo ihany, izay niteraka fitohanan’ny fiarakodia mihitsy.
Olona 6 : Olona enina no indray namoy ny ainy tany Vietnam vokatry ny tondra-drano. Tondra-drano izay tsiahivina fa efa herinandro vitsivitsy izao no nisehoany vokatry ny ora-nikija. Olona manodidina ny 141 isa no lasibatra hatramin’izao.
 
Mahery vaika : Mahery vaika tokoa ilay volkano Merapi nipoaka tany amin’ny Nosy Java any Indonésie. Tsy mitsaha-mitondra rivo-mahery mantsy izy ireo nanomboka afak’omaly alatsinainy narahin’ny lavenona mahamay mitsingevana omaly talata.
  
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT